FIDEDAHANA SY LAINGA ?

Fidedahana? aoka re fa lohany izy!
Miaiky izany hatramin’ny zaza sy ny ankizy.
Hita taratra amin’ny teny fanentanany,
Fa ny lainga dia talenta tena ananany!

Ny hanilika ny rihitra amin’ny hafa,
Izany hatrany no fanaony raha mitafa,
Ary ambarany amin’ireo vahoaka entina,
F’izy olona madio tsy misy pentina.

Saingy indrisy, tsy izany velively,
Fa ny toetrany dia tena tsy modely.
Toy izany koa ny ataony raha tarafina,
Mahonena sady maha-te hiafina!

Ny “joroana” maha-tena olo-mendrika,
Dia tsy ananany ara-toetra sy arak’endrika,
Fa ankosotra sy zavatra natentina,
Ka tsy miery fa miseho ny pentimpentina!

…Fidedahana sy lainga mipoapoaka?
Izay hatrany raha vao mba miseho vahoaka?
Miomàna, miomàna ry filoha
Fa tena ianao no “hipipy am-pataloha”!

IRINA HO TAFITA (18-03-23)