Fiarahabana ny ben’ny tanànan’Ivato – Feno hipoka ny espace nanatanterahana ny fotoana

Niaina

Feno hipoka ny Espace Le Millenium Fitarihana Ivato ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, nandritra ny fiarahabana tratry ny taona ny ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa ny alahady teo, tsy antonona ny tao an-trano, maro ihany koa ireo teny an-tokontany.

Nantanteraka izany fiarahabana izany ny solontenan’ny antoko politika misy ao amin’ity tanàna ity, ny fikambanana samihafa, ny namana sy tapaka, olon-tsotra,… Nitondra izay fiarahabana ny ben’ny tanàna izay ny avy amin’ny antoko HVM, ny avy amin’ny IRD, ny TIM, ny AKFM, ny AVI, ny fikambanana Hafari, ny fikambanana Grand Sud-Est, ny FIBE: fikambanan’ny Betsileo ao Ivato, ny Destiny Ivato, sy ny maro hafa… Izany hoe: avy amin’ny ankolafin-kery samihafa izy ireo kanefa mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny tanàna, ka dia izao tonga nirary so any ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa izao, noho ny Asaramanitry ny taona vaovao.

Nankasitraka ny rehetra ny ben’ny tanàna tamin’io fotoana io ary nosoritany fa miainga ao Ivato ny fampihavanana, mbola tsy nisy hatramin’izay ny fampihaonana sokajin’olona sy antoko politika ary fikambanana maro samihafa toy izao hatramin’izay.