Antoko TIM Manjakandriana – Miantso ny filoha Ravalomanana hirotsaka fidiana filoha indray

Isambilo

Tontosa soa amantsara tany Andriampamaky ny sabotsy teo, ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, sy fanentanana ny vahoaka feno taona hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana tapany avaratra, amin’ny faritra Analamanga. Tonga maro ireo mpikatroka avy amin’ny antoko, avy amin’ny kaominina 10 any amin’ity distrika ity. Niditra mivantana tamin’ ny alalan’ny antso an-tariby nandritra izany ny filoha Marc Ravalomanana, izay nanantitra fa taonan’ny fahasahiana ity taona, taom-pifidianana, mbola nanentana ny rehetra izy noho izany hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, ireo izay mbola tsy nahatontosa izany.

Nitarika ny fotoana ny DISTIM Manjakandriana, notarihan’ny filohany Randriamanga William Henri, ireo Jeunes TIM avy eto Analamanga sy Manjakandriana Randriamanga Jean Bosco sy ny namany,… Niantso ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany, ny filohan’ny DISTIM Manjakandriana Randriamanga William Henri, ny hirotsahany hofidiana amin’ny fifidianana filohampirenena hatao eto amintsika amin’ity taona ity.

Ny solontenan’ny TIM Analamanga, Randriamparany Jean Bosco dia nanipika, fa hanohy ny fanentanana ny mponina hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ny tanora, toy ny efa nataony tamin’ny herinandro teo, sy nandritra ny andro maromaro lasa izay. Ny masoandro nilentika no nampalahelo, nandritra izao fihaonana teo amin’ny antoko TIM Manjakandriana tapany avaratra izao.