EDITO 21 Marsa – Tsy misy mandeha amin’izay laoniny…

Sôh’son

Dia ireny niara-nahita sy nandre ireny ny rediredin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, izay nampihomehy sy nahatsikaiky ny maro. Eny, hatramin’ny tanora aza nisy latsa-kehy mihitsy isaky ny mahatsiaro ny nambarany tamin’iny herinandro lasa iny. Ny anti-panahy dia nitampim-bava, fa noho ny fampifangaroany ny teny ambara imasom-bahoaka sy ny lafiny ara-panahy. Mazava loatra, fa manan-kambara be dia be amin’ireny, ny olom-pirenena tena ao anaty finoana kristiana marina. Toy izany koa ireo mpamakafaka mpanaraka ny raharaham-pirenena, izay manana ny fiheverany sy ny fandrefesany ny toe-tsainy.

Nisarika ny saina hatrany ihany koa ny fomba fisainan’izao fitondrana izao manoloana ny vahoaka malagasy malagasy, izay misy atao zanak’Ikalahafa sy fiangarana. Fitondrana mpanavakavaka tsotra izao ity fitondrana Rajoelina ity, satria misy avelany malalaka manao hetsika, ary misy sakanany sy ilany vaniny amin’ity resaka taratasy fahazoan-dalana ity hatrany. Fahazoan-dalana izay tsy tokony hisy velively anefa ary tsy tokony hoangatahina akory. Nitranga sy nanjo ny antoko Tim indray izany tamin’ny sabotsy 18 Martsa lasa teo teny Itaosy. Midika ny zava-misy fa mirefarefa be mihitsy ankehitriny ny fomba itantanana ny vahoaka sy indrindra ny firenena, fa tsy amin’ny tokony ho izy manana ny lentany sy ny hasiny. Fitondrana mampietry voninahi-pirenena.

Tsy atao hahagaga velively, raha nilaza ny mpitarika antoko politika avy amin’ny mpanohitra, fa tsy misy raharaha mandeha amin’ny laoniny intsony eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao. Ary tsy amin’ny sehatra politika ihany, fa saika amin’ny sehatra rehetra. Tamin’izao fitondrana izao no nisiana fitakiana vola sy kahie eny anivon’ny Cisco, ho an’ireo mpianatra hanàla fanadinam-panjakana toy ny Bepc. Tsy mbola fahita taloha na tsy mbola nahenoina, fa ny mpiadina no miantoka kahie hanaovana vakiraoka ary alefa mialoha any. Mbola nitakiana vola ihany koa izy ireo, ny re 3000 Ariary hiatrehany ny “examen blanc”. Mifanohitra be ihany amin’ny filazana ny tsy fampandoavana vola amin’ny seha-pampianarana nodradradradraina tany aloha anefa izany.

Eny amin’ny Tobim-pahasalamana fototra na CSB aza hatramin’ny zavatra madinika andoavan’ny marary vola, ary niharan’izany hatramin’ireo mpianatra ihany koa. Inona intsony araka izany no zava-mandeha eto? Vao mainka niha- nihitsoka lalina noho teo aloha ny firenena, ary tsy tafaverin’izao fitondrana izao velively ny tahan’ny fitomboan-karena sy fivoaran’ny firenena efa niha-nisongadina, saingy nofinganin’ny mpanongam-panjaka tany amin’ny taona 2009. Tsy tokony ho vitavita ho azy izany, fa tena famotehana firenena tsotra izao ny nataon-dry Rajoelina mpanimba firenena.