Ambodisiarivo kaominina Ambohimanga Rova – 67ha mihoatra no robaina karana amin’ny alalana fikambanana

Ny Valosoa

Rehefa niantso vonjy tamin’ny solombavambahoakan’Antananarivo Avaradrano, Gerry Andriambolaina, ireo mponina ao amin’ny fokontany Ambodisiarivo kaominina Ambohimanga Rova noho fandrobana an-kafetsena ny tanin’izy ireo, ataona karana, amin’ny alalana fikambanana, dia tonga teny an-toerana ny tenany niaraka tamina mpanao gazety. Nohamarin’ny ben’ny tanàna fa fomba tsy ara-dalàna no anaovana ampihimamba ireo tany ireo, izay mirefy 67ha ary najarian’ireo taranaka nandritra ny 70 taona.

Mizara iray tapitrisa ariary aman’olona tsy mponina avy ao an-toerana io fikambanana io, takalon’ny fandikana karapanondro sy fanaovantsonia. Eo amin’ny olona 60 eo no voafitaka hatreto. Kanefa mponina mihoatra ny 5000 no mivelona amin’ny fampiasana izany tany izany.

Nanome toky ny solombavambahoaka Gerry Andriambolaina fa hanadihady any amin’ny sampana fananantany. Dia ho hita eo ny tohiny.

‘https://www.youtube.com/live/bE_REp2z89k?t=8470
‘https://www.youtube.com/live/564Prel-Kvw?t=1525