Antoko TIM teny Itaosy-Unis – Olona 2 safotra noho ny lakrimôzenan’ny herim-pamoretana

Isambilo

Na nisy ny fanakanana nataon’ny herim-pamoretan’ny fitondrana, nibahana ny hetsika nataon’ny antoko TIM tao Avarabohitra Itaosy-Unis Antananarivo Atsimondrano ny sabotsy teo, tontosa ihany izany hetsika izany, izay natrehan’ny filoha Marc Ravalomanana, ny avy amin’ny birao poltikan’ny antoko nahitana ny sekretera jeneraly Rina randriamasinoro sy ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, ireo depiote TIM notarihan’ny filohan’ny vondrona parlemantera Fetra Ralambozafimbololona, ireo ben’ny tanàna eny Itaosy-Unis.

Toerana an’olon-tsotra no nosakanan’ireo mpitandro filaminana tamin’izany, tsy nanaiky ny vahoaka nanatrika teo ka niditra ihany, nandritra izany no nirefotra ny entona mandatsa-dranomaso na ny baomba lakrimôzena, vokany: olona roa no safotra vokatr’izany fipoahana izany, ny iray lehilahy, ny iray faharoa vehivavy. Noho izao ramatahora nataon’ny fitondrana Rajoelina izao indray, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana fa: ”hisy ny paikady izay omena anareo mpikatroka atsy ho atsy, miainga avy any amin’ny kaominina… Aleo aho hilaza ny zavamisy any ivelany. Ataoko tsara tantara. Rahampitso aho dia efa hihaona amin’ny OIF, hihaona amin’ny Nations-Unies”. Fitondrana mitanila sy miangatra no misy eto hoy ihany izy, tsy avela hanao fanentanana momba ny fifidianana ny TIM, nefa ny mpiara-dia amin’ny fitondrana tsy misy sakana mihitsy na kely aza rehefa mamory olona na anaty trano, indrindra fa an-dalambe.

Ankoatra izany, mbola nanamafy ny fanentanana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM ho an’izay mbola tsy nahavita an’izany eny anivon’ny fokontany. Fantatra nandritra izany koa, fa eny Ambohimanarina indray ny fotoana manaraka amin’ny faran’ny herinandro izao, ary mbola anaty toerana mifefy sy an’olon-tsotra ihany, ka tokony tsy ho sakanana mpitandro filaminana hoy ireo nandaha-teny.