Fantaro ireo fifidianana niteraka krizy teto Madagasikara

Andry Tsiavalona

Raha itodihana ny fifidianana rehetra taorian’ny namerenana ny fahaleovantenan’i Madagasikara dia nisy ireo niteraka krizy, taorian’ny fandatsaham-bato (crise poste électorale). Vitsy ireo firenena tsy nahitana ity krizy aorian’ny fifidianana ity maneran-tany, satria nisy izany tany Etazonia izay azo lazaina fa anjakan’ny demokrasia. Iray ihany ny fifidianana tena niteraka krizy taorian’ny namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny vokatra dia ny tamin’ny taona 2002.

Iaraha-mahatsiaro fa nafindran’ny Amiraly Ratsiraka tany Mantasoa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ary tany ity andrim-panjakana ity no namoaka ny didy nanambara, fa ny Amiraly Ratsiraka Didier no lany. Tsy nanaiky izany ny mpomba an-dRavalomanana Marc, ka nitokona teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey efa ho enim-bolana, ka nisy ny fihaonan’izy mirahalahy tany Dakar, Senegal. Efa nisy ihany koa ny fianianana nataon-dRavalomanana Marc, satria fihodinana voalohany izy dia lany araka ny vokatra avy tamin’ireo fitanana an-tsoratra (PV) teo am-pelatanany.

Niaraha-niaina ny fanambarana ny Faritany mizaka tena, ka nisian’ny fairano ny faritanin’ Antananarivo, nametrahan’ny mpomba an-dRatsiraka Didier barazy tany amin’ny tetezan’ i Kamoro sy Brickaville ary nanapahana ny tetezan’i Fatihita. Mbola napoaka ihany koa ny tetezana tetsy Ambalavao. Araka ny filazan’ny mpomba ny Revolisiona Demokratika dia tokony ho nisy ny fihodinana faharoa, hono, raha ny fanapahankevitra tany Dakar kanefa tsy nisy izany, ka dia nanao fianianana fanindroany tamin’ny fomba ofisialy ny filoha Ravalomanana Marc. Nanao sesitany ny tenany tany Lafrantsa ny Amiraly Ratsiraka Didier.

Na dia roa taona aza no voafaritry ny Tondro Zotra nataon’ny Sadc naharetan’ny Tetezamita dia nitarin-dRajoelina Andry ho dimy taona izany. Fifidianana ny taona 2014 no niakaran’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery kandidà natolotr’i Rajoelina Andry, satria tsy nahazo nilatsaka noho ny “ni, ni” izy sy ny Filoha Ravalomanana Marc. Ny taona 2018 no nifarana ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery, ka nisian’ny fifidianana faharoa tao anatin’ny Repoblika IV. Enina ambitelopolo no isan’ny kandidà tamin’izany fifidianana izany, ka anisan’izany Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ary Rajoelina Andry.

Tsy hadino fa nisy ny fihodinana faharoa, ka Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry, no nifaninana tamin’izany. Samy nanana ny vinany ny mpifaninana, ka naverin’ny Filoha Ravalomanana Marc ny MAP izay vinany efa nentiny nampandroso ny Nosy tamin’ny Repoblika III-3, nahatratra fito faingo roa isan-jato ny harin-karena faobe ny taona 2008. Ny IEM no naroson’ny filoha Rajoelina Andry. Nampiavaka ny fifidianana ny taona 2018 dia ny fahabetsahan’ny kandidà nirotsaka izay nahatratra enina ambiefapolo ary folo no nihintsana tamin’ny fihodinana voalohany.

Maro no tsy fahatomombanana teo amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy satria nisy olona iray trano kanefa tsy tao anaty lisitra daholo ary nisy diso koa ny anarana na dia voasoratra aza. Efa nananika ny roanjato ny fitarainana tao amin’ny HCC kanefa ny valitenin’ity Fitsarana ity dia “azo raisina fa tsy mitombona”. Ambonin’izay dia nanadio tena ny filohan’ny HCC, fa nialana tamin’ny korontana nety niseho no namoahany “didy nanana endrika politika”, izay nametraka an-dRajoelina Andry eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika. Ny tena zava-doza dia ny namakian’ny filoha lefitry ny Ceni teo aloha, fa nisy roa hetsy sy iray tapitrisa ny “doublons”, izay tsy mbola nisy toe-javatra toy izany hatramin’ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena.

Iaraha-mahalala fa niova ny mpikambana ao amin’ity Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana ity, saingy tsy misy matoky azy na ny antoko politika na ny fiarahamonim-pirenena, eny hatramin’ny vondrona iraisam-pirenena aza. Ny zava-doza dia navaozina ny lisitry ny mpifidy, izay tokony hahatratra ho telo ambinifolo tapitrisa, ary ny nanaovana kopia sy karapanondrom-pirenena faobe ihany koa. Ireo no antony anaovan’ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana fanentanana tsy an-kiato ny olompirenena manana zo hifidy hanamarina raha voasoratra ao anaty lisitra ny anarany ary hanamarika raha misy olona efa maty na nifindra fonenana kanefa mbola voasoratra. Tsy azo amaivanina ihany koa ny fandraisana andraikitry ny FFKM hanaramaso any ifotony mihitsy ny mety hisian’ny hosoka sy ny lesola rehetra, mba hialàna indrindra indrindra amin’ny krizy aorian’ny fifidianana.

Anisan’ny mampiavaka ny fanomanana ity fifidianana 2023 ity ihany koa ny fitakiana ny hanovana ny mpikambana ao amin’ny Ceni sy ny HCC izay tsara marihina fa olon’ny fitondrana avokoa no mandrafitra azy ireo, ka hisy indray ny fikafika rehetra. Azo antoka fa tsy hanaiky lembenana intsony ny kandidà rehetra raha hamoaka didy tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy ho azo idovirana ny korontana aorian’ny fifidianana, koa aleo mitady ny fomba rehetra hialàna amin’izany dieny mbola misy ny fotoana satria raha ny tranga rehetra dia mahavaivay ny fifanoherana na eo anivon’ny samy ao amin’ny fitondrana aza ary efa tsy mifampatoky ka mifanebaka am-pahibemaso, etsy an-kilany kosa dia mihamafy ny tsindry ataon’ny mpanohitra. Ny hery anefa tsy mahaleo ny fanahy” ary “ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany”.