Sampana fanarahamaso SAFIDY – Janoary 2023 – 67% amin’ny tanjona napetrany no tratran’ny CENI”

Ny Valosoa

Nisy ny fanambarana nataon’ny sampana anarahamaso ny fifidianana Safidy na “Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana)” nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny faha-16 marsa 2023, vokatry ny tetikasa “Safidy maharitra” tohanan’ny Vondrona Eoropeana, ary norafetin’ny Ivotoerana SAFIDY sy ireo firaisamonim-pirenena mandrafitra azy : AIM, AVG, CEDII, DRV, FTMF, ONG Ivorary, MSIStatao, PFNOSCM-Vohifiraisana, ONG Ravintsara ary YMCA.

Araka ireo fanaraha-maso nataon’ny SAFIDY,dia tsikaritra ireto teboka manaraka ireto:

  • tratra hatreo amin’ny faha 67% (loharano CENI ny 1 febroary 2023) ny tanjona napetraky ny CENI hanoratra mpifidy miisa 13,5 tapitrisa. Fe-potoana fanisana izay nitarina iray volana raha noheverina ho tapitra tamin’ny 31 desambra 2022.
  • eo anivon’ireo distrika nanaovan’i SAFIDY fanaraha-maso:
    • 61% amin’ ireo mpifidy no voasoratra tao anatin’ny lisitry ny mpifidy hatramin’ny faran’ny volana janoary 2023
    • 13% amin’ ireo distrika ihany no nahatratra mihoatra ny 75% ny tanjona napetraky ny CENI, ary 17% (eo anivona fokontany miisa 1502) amin’ireo distrika dia tsy nahatratra akory ny antsasan’ny tanjona napetraka.

Ho fiatrehana ny fanaraha-maso ity fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ity, ny Sampana Fanarahamaso Safidy dia nametraka fomba fiasa toy izao:

  • Nifarimbona tamin’ireo mpanaramaso miisa 1203 izay avy amin’ny fikambanana 387 hiantsoroka ny asa fanarahamaso eto amin’ny nasionaly, faritra, distrika ary Kaominina, ka, ny 40,2% tamin’izany dia vehivavy raha 57,3% kosa ny tanora latsaky ny 35 taona.
  • Nametraka tambajotra ara-kajy mirindra hikirakirana ireo antontam-baovao avy amin’ireo mpanara-maso avy eny ifotony sy ivon-toerana handraisana antso mivantana, ary, fandraiketana an-tsoratra ireo angom-baovao.
  • Ekipa teknika izay mamakafaka sy mandrindra ary mikarikira ireo antontam-baovao voaangona.

Ny Sampana fanaraha-maso SAFIDY dia nanatanteraka fanaraha-maso tao anatin’ny distrika miisa 108 tamin’ireo distrika miisa 119 izay misandrahaka ao anatin’ireo faritra miisa 23 sy kaominina miisa 482 eto Madagasikara.

(Fanambarana teny malagasy)
https://safidy-observatoire.net/SAFIDYcommuniqueVM.pdf
(Communiqué version française)
https://safidy-observatoire.net/SAFIDYcommuniqueVF.pdf