Lisi-pifidianana – Distrika Manjakandriana – Mahatratra 73% ireo tafiditra vokatry ny fanentanana

Ny Valosoa

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny mpikatraoka eo anivon’ny antoko TIM. Ny tanjona dia ny isoratan’ny olompirenena ao anaty lisi-pifidianana.

Efa saika ho vita avokoa ny ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Ny 18 martsa no nifarana ho an’ny tapany avaratra. Mazoto amin’ny fisoratana anarana ny mponina ao amin’ity distrika ity. 73% no efa nahavita ary 85% raha ho an’ny tapany avaratra iray manontolo. Nihoatra noho ny noeritreretin’ireo mpikatroka izany taha izany, ary dia samy faly daholo.

Isan’ny mandray anjara betsaka amin’ny fanentanana ny tanora TIM Analamanga. Distrika telo no efa vita: Ambohidratrimo, Manjakandriana ary Antananarivo renivohitra.

‘https://www.youtube.com/watch?v=kfGTIfh_mMk&t=2000