Madagasikara – Fifidianana 2023 – TIM – Nampita ny ahiahiny amin’ny ataon’ny fitondrana Rajoelina any amin’ny OIF

Ny Valosoa

Nandefa taratasy ho an’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) ny 18 martsa 2023 taorian’ny hetsika famoretana nataon’ireo mpitandro filaminana teny Itaosy, hanakanana ny hetsika nokarakarain’ireo mpikatrika ComTIM. Baikon’ny fitondra jadona Andry Rajoelina no azon’izy ireo, taratry ny fahatahorana ny ezaka miha-mahazo laka ataon’ny TIM ny amin’ny fametrahana fifidianana madio sy mangarahara eken’ny rehetra. Izao no votoatin’izany taratasy izany:

Lafin-javatra maro no mbola mampanahy ny antoko TIM amin’izao ankatoky ny fifidianana 2023 izao:
– enina herinandro taorian’ny datim-pifidianana navoakan’ny CENI dia mbola tsy misy hatreto ny fanapahankevitra avy amin’ny governemanta ny amin’ny fiantsoana ny olompirenena hifidy; izany hoe mbola baraingo ny datin’ny 9 novambra navoakan’ny CENI, izay nankatoavin’ny HCC hanatanterahina ny fifidianana ny filoham-pirenena;
– mbola tsy misy resaka koa ny datim-pidianana ben’ny tanàna izay tokony ho atao amin’ity taona ity;
– tsy ampy ny tetibolan’ny CENI hanatanterahina ny fifidianana mitentina 45 miliara ariary araka ny voasoratra ao anaty ny tetibolam-panjakana; mbola baraingo ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombonantoka na ny “basket fund”.
– tsy mendrika ary tsy tomombona avokoa ny fomba fiasan’ireo rafitra mikarakara fifidianana eto Madagasikara
– voasakantsakana sy iharan’ny ramatahora amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana hatrany ny hetsika ara-politika rehetra izay ataon’ny antoko politika avy amin’ny fanoherana
– ny avy amin’ny mpitondra fanjakana anefa ankilan’izay dia efa manao fampielezankevitra mialoha ny fotoana tsy misy teritery ary amin’ny alalan’ny fitaovam-panjakana no anatanterahiny izany
– tsy mbola mampiseho ny fahavononany hiatrika ny fikaonandoham-pirenena izay efa takian’ny hery velona misy eo amin’ny firenena ny fitondram-panjakana;
Nankasitraka ny OIF amin’ny fahavononany hanaramaso ny “logiciel” ampiasain’ny CENI amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy ny antoko TIM.
Manentana ny OIF hatrany hanaramaso ny pitsopitsony rehetra manodidina ny fifidianana ny antoko TIM.
(Vaovao MBS 18 martsa 2023)

‘https://www.youtube.com/watch?v=kfGTIfh_mMk&t=1695