ANGIDIMBY, FAHITALAVITRA…?

Misy ny mpahay lalàna efa toa miverin-tsaina,
Ka miteniteny foana fa tsy manan-kolazaina.
Sahy milaza an-kitsirano, sady manamafy ery
Fa “tsy izy” ireo izay kandida ka tsy amina angidimby!

Izany indray ve no fepetra hitan’ny mpahay lalàna
Mba hoenti-manatsara ny ao anaty fitondrana?
Sakabe o! mandiniha fa hevitra mirefarefa
Raha atao ambanin-javatra ny fananana traikefa!

Efa iainantsika izao ny fitondran’i boaikely
Izay tsy ampy fahendrena sy tsy mendrika ho modely.
Tsy ‘zay hoe fahitalavitra na angidimby no ilaina,
Fa takio ny olon-kendry, ny mahay sy manan-tsaina.

Dia ireo tia ny tanindrazana fa tsy irony “gasy tapany”,
Mba tsy ho vendrana toa azy no andravahany ny lapany!
Olon-kendry sy mahay, indrindra indrindra koa mivavaka,
No hanarina ity firenena efa latsaka ao an-davaka!

DADAN’i ZINA (16-03-23)