Tolom-panafahana ny 29 martsa 1947 – Hanomboka ny 22 martsa izao ny fanamarihana

Isambilo

Fahatsiarovana ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947. Hanamarika ny faha-76 taonan’izany tolom-panafahana izany isika afaka andro vitsivitsy. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny 22 martsa ho avy izao ny fanamarihana izany, izay ialohavan’ny fanentanana eny amin’ny haino aman-jery. Hisy ny fampirantiana mikasika ity tolom-panafahana ity ny 22 ka hatramin’ny 28 martsa eny amin’ny zaridainan’Anosy, izay hanasan’ny mpikarakara ny rehetra ary ho atevenina amin’ny fitetezana sekoly eto andrenivohitra ny 23 ka hatramin’ny 27 martsa. Ireo hetsika ireo dia hampahafantarana ny ankizy sy ny tanora amin’izao fotoana ny tantaram-pirenena.