Jeune TIM Analamanga sy Manjakandriana – Nanentana amin’ny fisoratana amin’ny lisi-pifidianana

Niaina

Tontosa afak’omaly ny fidinana ifotony nataon’ny JEUNE TIM ANALAMANGA sy Manjakandriana, tao amin’ny KAOMININA AMBANIVOHITRA ANKAZONDANDY, ANDRIAMPAMAKY ARY AMBOHIBAO SUD, kaominina 3 samy any amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Ny anton’ny hetsika dia ny fanentanana ny vahoaka, mba hisoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana, satria amin’ity taona ity no taonan’ny FIFIDIANANA.
Tafita ny hafatra ary tena faly ireo vahoaka nandritra izany. Ankoatra izany, mbola hisy koa ny fifampiarabana nahatratra ny taona vaovao, izay ho karakarain’ny antoko TIAKO i MADAGASIKARA (TIM), any amin’ny distrikan’i Manjakandriana, hatao ao amin’ny ESPACE FANILO ANDRIAMPAMAKY anio sabotsy 18 Martsa hanomboka amin’ny 09 Ora maraina.