SMM. Atsaharo ny tsindry – Mikorosy ny asam-pitsarana ao anaty taom-pifidianana

Nangonin’i Stefa

Nisy ny fanambarana avy amin’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), tamin’ny alalan’ny filohany Mbitanarivo ANDRIANTSIHORISOA, amin’ny fikorosohan’ny tontolon’ny asam-pitsarana ao anatin’izao taom-pifidianana amin’ity taona ity izao:
Arak’izany fanambarana izany:
-Hita mibaribary fa miitatra hatrany ny fikorosoan’ny asam-pitsarana amin’ny ankapobeny, indrindra indrindra amin’izao an-katoky ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao. Mifanalavitra ny kabary arahim-pehin-kevitra mivoaka sy ny fanapahana raisina, na ofisialy izany na tsia.
-Tiana ny mampahatsiahy, fa ny fananganana ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly dia nandalo dingana maro sy sarotra ary niaraha-nidinika tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Misy fiantraikany goavana ary mety haharitra amin’ny tena ady amin’ny kolikoly anefa ny fihidikidirana sy fitsabahana ary ny fanomezana baiko amin’ireo mpitsara ao.
-Manameloka tanteraka ny fanimbàna isan’andro ny fahaleovantenan’ny fitsarana amin’ny endriny isan-karazany ny SMM ary mitaky ny hanatsaharana tsy misy fepetra ny tsindry mihàtra matetika amin’ireo mpitsara rehetra manerana ny Nosy, mikasika ireo antontan-taratasin’ady andalam-pitsarana.
-Mangataka ny Filan-kevitra Ambonin’ny Mpitsara ny SMM, mba handray feno ny andraikitra nankinina taminy ary koa ny hanatanterahany manontolo ny asany amin’ny maha tompon’antoka azy mikasika ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana tahàka ireo rafitra misy maneran-tany.
-Mila fitoniana ny firenena ankatok’izao fotoanan’ny fifidianana filoham-pirenena izao. Fitsarana madio, mahaleo tena, tsy hijerena karazana fironan-kevitra ara-politika ; ireo ihany no antoka lehibe iankinan’ny filaminan’ny fiaraha-monina.”