Kaominina Alasora – 5 ka hatramin’ny 10 minitra dia vita ny kopia sora-piankohonana

Isambilo

Noho ny fampaiasana ny teknolojia vaovao: nomerika sy ny solontsaina, fotoana fohy dia vita ireo sora-piankohonana ambarina ao amin’ny kaominina Alasora distrikan’Antananarivo Avaradrano. Ireo sora-piankohonana toy ny fahaterahana, mariazy ary fahafatesana no voakasik’izany.

Araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa, ben’ny tanàna avy amin’ny antoko TIM, 5 ka hatramin’ny 10 minitra ihany ny fe-potoana hakana ny kopia ao amin’ny kaominina manomboka izao, raha 1 andro izany teo aloha. Nanomboka ny taona 2022 iny no nampiasa logiciel na rindram-baiko ho an’ny sora-piankohonana ny ao amin’ny kaominina Alasora ary 50 % ny kopia no efa tafiditra ao anatiny. Ezahina hovitaina amin’ity taona ity ny fampidirana ny ambiny hoy ihany izy.

Izao no natao dia ny tsy hisian’ny fahaverezan’ny fotoana ho an’ny mpisitraka ny asa atao ao anivon’ny fiadidiana ity tanàna ity. Filamatr’izy ireo ny hoe: ”Alasora iombonana, maha te honina.”