Nicolas Dupuis – Milaza ny tsy hanazatra ny Barea intsony ato ho ato

Rainilita

Tamin’ny firesadresahan’ny OPL taminy tao anatin’ny pejy tambazotran’izy ireo, ka nampahafantarany misimisy kokoa ny aminy, sy ny fiaimpianany niaraka tamin’ny tontolon’ny baolina kitra sy ny nifandraisany tamin’ny tontolon’ny kitra Malagasy manokana, no nilazan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis, fa hijanona tsy hanohy ny maha mpanazatra ny BAREA de Madagascar azy intsony izy, aorian’ny fifanintsanana CAN 2023, na tafakatra na tsia amin’izany ity ekipa tantanany ity.

Tapitra amin’ny volana septambra izao, araka ny filazany, ny fifanarahana amin’ny maha “selectioneur-ny Barea” azy nefa mbola hijanonana hanatanteraka fifanarahana etsy sy eroa eto Madagasikara hatramin’ny taona 2026 izy aorianan’izay, fa tsy hihaino soson-kevitra na amin’iza na amin’iza intsony.

3 taona no nipetrahan’i Nicolas Dupuis teto Madagasikara ary 55 taona mahery kely izy izao. Manambady nandritra ny 30 taona ary niteraka 3 mianadahy ka mipetraka eto Madagasikara ihany koa ny zanany lahy iray.

Nambarany mikasika ny lalao hifanandrinan’ny Barea amin’ny Les Fauves du Bas-Oubangui du Centrafrique, fa hanomboka amin’ny alahady 19 martsa maraina ny fampivondronana an’ireo mpilalaon’ny Barea A 2023, izay hatombok’ireo mpilalao avy eto an-toerana, fa ireo mpilalao mpila ravinahitra any ivelany kosa dia amin’ny harivan’io alahady io ihany vao ho tonga eto Antananarivo. Mila mandresy isika amin’io fihaonana io, hoy i Nicolas Dupuis, ka hanao izay ho afako aho hanome toro-marika an’ireo mpilalao izay tsy maintsy hifangaroan’ny “Locaux” sy “Expatriés” amin’ny ankapobeny.