Fampihaonana hataon’ny CENI – Handray anjara ny FFKM

Isambilo

Handray anjara amin’ny fampihaonana hataon’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), ny 24 martsa ho avy izao eny amin’ny Novotel ny FFKM, na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, araka ny antso nataon’ny CENI tamin’izy ireo.

Mpandray anjara fotsiny ihany anefa ny FFKM amin’io andro io, fa tsy mpitarika akory, manao antso araka izany ny Filohan’ny FFKM, Révérend Docteur IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny FFKM, ny hitrotroana am-bavaka io fotoana io, mba hahitana ny hevitra iombonan’ny rehetra, hiatrehana, hahafahana miatrika ny fifidianana am-pilaminana izay hatao eto amin’ny firenena.