Latsaka ny pipy ny mpanjifa – Tafakatra 4000 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Ny Valosoa

Niteniteny foana ny filoha Andry Rajoelina teny Andoharanofotsy Antananarivo Atsimondrano afak’omaly, nilaza izy tamin’izany fa misy ny olona latsaka ny pipy-ny, na ny amaniny raha vao mahita azy.

Tena tsy mendrika ny tenina Filohampirenena mihitsy hoy ny maro. Ka dia haverina aminy ihany izay teniny izay mahakasika ity fidangan’ny vidim-bary ity, izay tsy voafehin’ny fitondrana izay tarihany mihitsy. Tena mahalatsaka ny pipy-ny mpanjifa mihitsy ny fidangan’ny vidim-bary amin’izao fotoana eny an-tsena.

Araka ny hita, tafakatra 4000 Ar amin’izao fotoana ny kilaon’ny vary gasy eny amin’ny mpaninjara, satria 1150 Ar ny iray kapoaka, tafakatra 3800 Ar ihany koa ny kilaon’ vary makalioka, satria 1100 Ar ny kapoaka.