Resaka fifidianana – Tsy resaka angôvo na sandry no entina mifanandrina fa vina

Andry Tsiavalona

Efa tsy nanana ary mbola nesorin-dRajoelina Andry indray, ilay vokatra ara-drariny sy hitsiny (légitime) kely nametrahan’ireo nifidy azy tamin’ny fifidianana 2018. Tsara ampahatsiahivina fa dimampolo isan-jaton’ny mpifidy voasoratra anarana no nandatsa-bato tamin’ny fihodinana faharoa ary ny antsasak’io, dimy ambiroapolo isan-jato, no nifidy, ka nahalany ny filohan’ny Repoblika ankehitriny. Tsy resahina ny resaka “doublon” izay nahatratra roa hetsy sy iray tapitrisa, satria raha dimy hetsy no elanelam-bato azony sy ny Filoha Ravalomanana Marc dia tsy lany mihitsy Rajoelina Andry, kanefa izay ny didy tsy azo ivalozana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) dia nandefitra ny nifanandrina taminy.

Tsiahivina ihany koa fa tamin’ny fampielezankevitra nataon’ny kandidà Rajoelina Andry tamin’iny fifidianana ny taona 2018 iny dia tsy maintsy ho lany izy araka ny nambarany. Efa filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry no nikabary voalohany nanambarany, fa efa tompondaka in-dimy teo amin’ny haiady karate izy kanefa mila porofo izany, satria ny olona tompondaka izany dia heverina fa manana tahirin-tsary kajiana toy ny anakandriamaso. Ny haiady rehetra koa dia olona roa no mifandrina, ka tsy mitovy velively amin’ny fifidianana satria ity farany dia tsy “mpandresy” izay lany fa “lany” avy amin’ny alàlan’ny latsabato ataon’ny olompirenena. Izay no nilazan’ny Pr. Ranjeva Raymond, fa “demokrasia ara-tarehimarika” (démocratie numérique) no iainana eo amin’ny resaka fifidianana.

Nalaza tamin’ny faramparan’ny taona 2022 sy fiandohan’ity taona ity ny nanosoran’ny tany ivelany an-dRajoelina Andry ho “tompondaka” amin’ny “fanorenana indostria” sy ny “ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo”. Tsy misy mahafantatra na filoham-pirenena iza avy no nifaninana taminy, ka nahazoany fandresena ary mbola maizina ihany koa na antsapaka na fomba inona no nahazoany ireo anaram-boninahitra ireo. Na izany na tsy izany dia misy sary mirakitra ny nanoloran’ny tany ivelany an-dRajoelina Andry, ny amboara maha tompondaka azy ary tsy mbola nasehony vahoaka kosa ny sary tahiry nanolorana ny tempana naha tompondaka azy teo amin’ny haiady karate.

Nirehareha indray Rajoelina Andry teny amin’ny fitokanana ny Sekoly Ambaratonga Voalohany (EPP) eny Andoharanofotsy ary nametrahany vato fototry ny Kianja filalaovana baolina kitra, nilazany fa mpandresy foana izy ary “latsaka pipi” mihitsy izay nifanandrina taminy fony izy nanao karate. Nihantsy ny mpifaninana aminy izy ary tsy matahotra fa nandresy foana izy hatramin’izay ary vonona, azo heverina fa amin’ny fifidianana no tiany hambara. Tsara ho fantatra anefa fa tsy resaka angôvo na sandry no entina mifanandrina amin’ny fifidianana, fa vina sy programan’asa hitantanana ny Firenena, izay maharesy lahatra ny olompirenena handatsa-bato. Ka raha izao Rajoelina Andry no milaza fa nandresy foana izy teo amin’ny haiady nataony fahiny, izay tsy mbola noporofoiny, dia ny hakingany sy ny naha bokonozatra azy no nandreseny. Amin’ny fifidianana kosa dia ny fahaizana mandresy lahatra sy ny fahitan’ny olompirenena, fa tena mitombona sy azo tanterahina tsara ny vinam-pampandrosoana harosony.

Matoa mbola sahy miteny Rajoelina Andry, fa tsy maintsy mandresy foana dia azo antoka fa toy ny tamin’ny fifidianana 2018 no tiany haverina, ka rehefa tsy lany izy dia hitarika korontana eto amin’ny Firenena. “Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha”, koa mahaiza manavaka ny vary sy ny tsiparifary ary tsy 2018 izao fa efa 2023, tsy hisy hanaiky doublons sy halabato izany intsony!