EDITO 18 Marsa – Halako bika tsy tiako tarehy sy ny tantara

Beharo

Hita sy tsapa eo amin’ny sehatra politika, fa manana ny heriny tokoa ny antoko TIM, tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana manerana ny firenena, ka tsy nampisalasala ireo mpanara-baovao hilaza, fa toa atao daholo izay fomba haminganana azy raha toa ka mbola marisika ny hilatsaka ho fidiana eo, nefa mba ara-dalàna ihany izy matoa tojo tamin’ireny raharaham-pifidianana 2018 lasa ireny.

Ny tenin’ny jeneraly misotro ronono Tsaranazy Jean Emile moa, no nanafintohina ireto zokiolona maro nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny Ny Valosoa, nanambara fa raha jeneraly izy no nilaza fa tsy tokony hilatsaka ho fidiana i Ravalomanana Marc, raha ny tsy rariny nataony tamin’ny taona 2002 teo anatrehan’ny Amiraly Ratsiraka ireny, izay efa tsorina hoy izy ireo fa dia toa: halako bika tsy tiako tarehy ny fijery azy, raha tantara efa nivalona tamin’ny 20 taona lasa, no mbola fohazin’ity manamboninahitra ity, raha mbola tsy jeneraly akory izy tamin’izany.

Atao indray izay fomba tsy hilatsahan-dRavalomanana amin’izao fifidiana taona 2023 izao, ka na efa tafiditra soamantsara eto aza izy, afaka manentana n’aiza n’aiza, ary mihetsiketsika mamporisika ny olona hisoratra anarana hifidy atsy ho atsy, dia tsy tokony hanaovana teny toy ireny. Hita porofo ihany koa mantsy izao, fa toa ny fitondrana mihitsy no mitady izay tsy haharaikitra ity fotoam-pifidianana ity, tsy mifanaraka amin’ny teti-panorona izay atao, tsy mazoto amin’ny fihaonambe tsara sy mahomby ary efa manova na manala toerana izay tompon’andraikitra tsy levon’ny vavoniny, ka manao fampitahorana an-dRavalomanana sy ireo mpanohitra, ahitana fomba fanakanana tsy am-piheverana toy itony lazain’ny jeneraly itony. Na izany na tsy izany, zon’ny olona rehetra ny mirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho avy eo, ka tsy mitombina loatra ny filazan’ny jeneraly Tsaranazy, fa tokony hisy olom-pirenena hahilika, avelao hirotsaka avokoa ny rehetra, ka ny vahoaka tompom-pahefana no hitsara azy ireo.