IZAY FILOHANAY IZAY!

Izay teneniny rehetra dia tsy misy iray tanteraka.
Miandry hatrany ny vahoaka, mahatsiaro ho tena reraka!
Iretsy manodidina azy ve sa izy no miveraka?
Toa Ambatolahibevohoka no andrasana ho teraka!

Ny eo tsy miainga sy tsy vita, tonga indray ny fampiesonana.
Dia voriana ny vahoaka, toy ny hoe hizaha lanonana.
Be ny zava-tsy tontosa ka ezahina takonana.
(Nidina ho iray vilia ny vatsy ho an’ny ankohonana!)

Tsisy ve ny risi-po sa tsy ao ilay hoe fahavononana
Ho amin’ny fifanatonana anasan’ny fiangonana?
Ny miverina mazàna dia ny teny fandrahonana,
Ka izany no vao mainka mety hitera-pifandonana!

…Izany izao no zava-misy raha raketina amin’ny sary.
Fitondrana lo no eto, fitondrana efa fanary!
Miezaka hanatsara tena na amin’ny teny na kabary,
Saingy tsisy zava-bitany, na, vita fa tsizarizary!

DADAN’i RIANA (13-03-23)