Fiainam-pirenena – Kisarisariny ihany ny fifidianana raha tsy miova ny HCC

Beharo

Araka ny vaovao nomen’ny filohan’ny Ceni teny Ambodivonikely Ambohimanarina ny talata teo, dia ny 20 martsa izao no hiroso amin’ny fanaovana fitsirihana “audit ” ara-momerika ny antontan’isan’olona voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana miaraka amin’ireo teknisiana avy amin’ny OIF, ry zareo. Fanavaozana tanteraka ny lisitra moa no votoatin’izany, ny hahatratrarana ilay 13 tapitrisa ihany koa, no tadiaviana raha mbola 10 tapitrisa eo ho eo no vita mazava hatreto.

Ny 24 martsa ihany koa dia hisy fikaonandoha hiarahan’ny mpanao politika tsy ankanavaka, mba hanatsarana ny zotram-pifidianana miainga amin’ireo dinidinika sy fifanakalozan-kevitra, hirosoana amin’ny vokatra mety sy mahomby. Tsorina anefa fa ny fanentanana hisoratra anarana dia efa fanaon’ny rehetra, ny antoko mpanohitra no efa manao antsoantso tsy an-kiato, mba hisian’ny fifidianana mazava sy mangarahara tsy misy hala-bato, fa ny tetika tsy azo antoka dieny vao miandoha ity, dia ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana sahady, eo koa ny fametrahana na fanoloana ireo tompon’andraiki-pokontany, mba ho mpiray dia hatrany amin’ity lamasinina haingam-pandeha TGV ity. Lasa kisarisariny ihany anefa io fifidianana io raha tsy ny fitsarana avo HCC mihitsy hoy ny maro, no hasiam-panovana, ravana tanteraka mihitsy raha ny nambaran’ ireo solombavambahoaka sendra anay.

Atao daholo ny fitsirihana, ny fikaonan-doha isan-karazany, ny fanentanana hisoratra anarana etsy sy eroa, nefa raha mbola ity HCC ity no mpijapy lamasinina eo miaraka amin’ny Ceni tsy ampy vola enti-manatanteraka, dia werawera manara-penitra fotsiny eny ihany no hitranga.