Depiote Feno Ralambomanana – Hanadio ny tatatra sy lakandrano tsy vitan-dry Vazahabe

Niaina

Hanampy amin’ny fanadiovana tatatra sy lakandrano ao Mandialaza Ambodivona, tsy vitan-dry Vazahabe sy ny ekipany, ny depioten’ny Boriboritany faha-3 avy amin’ny antoko TIM Feno Ralambomanana. Araka ny fangatahan’ny mponina teny an-toerana, noho ny fijalian’izy ireo amin’ny rano mihandrona tsy mety ritra ao amin’izany fokontany izany, nijery sy nanadihady niaraka tamin’ny injeniera, ny momba ny hanarenana ny tatatra sy ny lakandrano amin’izany fokontany izany ity depiote ity.

Efa nitroka rano teny, tamin’ny alalan’ny moto pompe ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tarihan’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina, saingy tsy vahaolana izany, satria mbola tsy ritra ihany ny rano mihandrona hatramin’izao, ny vahaolana maharitra araka ny fanadihadiana nataon’ny injeniera niaraka tamin’ny depiote Feno Ralambomanana dia ny fanarenana tanteraka ireo tatatra sy lakandrano ao amin’ity fokontany Mandialaza Ambodivona ity. Koa dia ho avy hanatanteraka ny asa ato ho ato ny depiote sy ny ekipany, tao aorian’ny fanadihadiana sy ny fakana ny tombam-bidin’ny asa.