15 martsa, Menabe – Tsy nisy hita ireo mpitonona ho miaro ny zon’ny mpanjifa

Rajepa

Toy ny faritra rehetra dia nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny Zon’ny mpanjifa ny faritra Menabe omaly 15 martsa, izay efa natomboka tamin’ny alatsinainy ny hetsika tamin’ny fampahafantarana ireo Zon’ny mpanjifa tamin’ireo mpisehatra avy amin’ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny Code Menabe sy Alefa Menabe ary nitohy tamin’ireo mpianatry ny Anjerimanontolo ny andron’ny 15 martsa izay ivon’ny fankalazana. Nisy ny fandaharana manokana niarahana tamin’ireo haino amanjery teto Morondava, nampahafantaran’ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Menabe, Andriamatoa Rabibison Noël, fa mbola mila ezaka lehibe ny fampahafantarana ny Zon’ny mpanjifa, sy ny fametrahana izany ato Menabe, satria mbola tsy hain’ny mpanjifa ny Zony, hany ka maro ny manararaotra. Ny tontolo andron’ny alarobia 15 Martsa, nisy ny varavarana misokatra teo anoloan’ny trano fiasan’ny fitaleavam-paritry ny fampiroboroboana ny varotra sy ny indostria Menabe, nanaovana fampahafantarana ny Zon’ny mpanjifa.

Tsy hita kosa ireo milaza ho mpiaron’ny Zon’ny mpanjifa ato Menabe nandritra ny fankalazana, ka maro ireo velom-panontaniana hoe atao filan-tseza sy filan-dera ihany ve ity fiarovana ny Zon’ny mpanjifa ity? Nefa maro ireo gaboraraka izay mianjady amin’ny mpanjifa, ny ankamaroan’ireo mpanjifa dia tsy mahalala ny Zony sady tsy hitany izay aleha rehefa misy mianjady amin’izy ireo, ka nanao antso ny fitaleavam-paritry ny fampiroboroboana ny varotra sy ny indostria Menabe, fa vonona handray ny andraikiny, ho fiarovanana ny mpanjifa, fa mangataka fiarahamiasan’ny rehetra, mba hitatitra izay tranga misy amin’ny tompon’andraikitra, fa tsy hanao resabe sy tabataba any ambadika any, fa raha ny Tomponandraikitra no maharay ny fitarainana dia ho voavaha ny olana.