Antananarivo – Maharikoriko ankehitriny noho ny ataon-dry Rajoelina sy Vazahabe

Sôh’son

Impiry ho voafitaka sy hofitahina ny mponin’Antananarivo sy ny vahoaka malagasy manontolo? Tsy mbola nisy fahapotehana be toy izao teto amin’ity firenena ity hatramin’ny nahazoana fahaleovantena. Hafa mihitsy aza izany fahadiovan’ny renivohitra sy ny filaminana teto izany tany amin’ny Repoblika voalohany, ary maharikoriko ny ankehitriny, miàla tsiny amin’ny fomba fitenenana, raha ampitahaina ny tamin’izany. Na Iarivo aza no resahina, tsy afa-miàla amin’izany ny fitondrana foibe, satria ao anatin’ny andraikiny ihany koa izany, ary tena tomponandraikitra izy nametraka izao mpitantana ny tanànan’Antananarivo izao.

Ny fahorian’ny sasany, fifalian’ny sasany. Raha simba tanteraka ny lalana rehetra eto Antananarivo renivohitra, mijaly tanteraka ny mpampiasa lalana, izay ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny miaraka amin’ireo mpanao fitateram-bahoaka, dia misy ny mahazo tombontsoa amin’izany. Tsy iza ireo, fa ireo karana mpivarotra kojakojam-piarakodia. Marobe izy ireo toy ny eny Isotry sy Tsaralalana iny, sy ireo toerana maro samihafa ihany koa. Mazava loatra, fa mandeha ny tsenan’izy ireo amin’izao fotoana maharatsy sy mahapotika ny lalana izao, ary tsy ny eto Antananarivo ihany io, fa amin’ireo lalana na lalam-pirenena misandrahaka manerana ny Nosy manontolo mihitsy. Indraindray ny saina alaim-panahy hieritreritra ny amin’ny mety isian’ny kopaka isasahan’izy ireo amin’ny tomponandraikitra, ao anatin’izao fitaredretrana mandray andraikitra amin’ny fanamboaran-dalana izao, na ihany koa mody arirarira eo hahazoana fotoana lavalava kokoa hitsetsefana tombontsoa betsaka. Mahalasa eritreritra lalina ihany mantsy ny tsy firaikana, ohatra, eo amin’ireo karana manana tranombarotra lehibe miaraka amin’ny trano mijoalajoala manamorona ny arabe toy ny etsy amin’ny Cotona Tsaralalana, ohatra, kanefa tsy misy fandraisana andraikitra avy amin’izy ireo. Sarotsarotra ihany ny hihevitra ny amin’ny fanilihana andraikitra ao anatin’izany. Iaraha-mahalala, fa karana anie no mpanefoefo indrindra eto Madagasikara, ary anisan’ny sangany ihany koa amin’ny fananan-karena aty amin’ny kaontinanta afrikana. Amin’ny sehatra hafa aza ataony, fa nahoana no mihalangalana amin’ny lalana kanefa iankinan-javatra lehibe eto amin’ny firenena izany? Misy tsy mazava ao ambadik’izany.

Etsy ankilan’izay, tsy afa-miàla ny fitondrana, satria io no nampanantenaina ny vahoaka tany amin’ny fampielezan-kevitra. N’inona n’inona fanazavana, sy ny mody fanaovana asa hafa hanampenana ny masom-bahoaka, dia tsotra sy mazava, tsy mahavita ny andraikitra napetraka aminy izao fitondrana Rajoelina izao. Tsy vitany ny nampandroso firenena tao anaty dimy taona nitondrany. N’inona n’inona mody fihetsiketsehana be atao tato ho ato, handeha mafimafy amin’ny fanaovana asa sy ny kabary mampandry adrisa rehetra izao, efa tara loatra. “Akoho tsy naneno ohatr’izay…” io, fandaniam-potoana fotsiny no sisa…