HCC – Minia mikimpy amin’ireo fadikan-dalàna ataon-dRajoelina

Andry Tsiavalona

Fanontaniana mipetraka, tsy ho an’ny politisiana ihany, fa ho an’ny olompirenena rehetra resy lahatra amin’ny tsy fahombiazan’izao fitondrana izao, ny mety hisian’ny fifidianana na tsia amin’ity taona ity. Maro ny tranga miteraka izany fisalasalana izany, ka anisan’ireny ny fanambaran’ny Ceni fa tsy ampy manodidina ny zato miliara ariary ny vola hoentina manantanteraka izany. Etsy an-kilany koa dia ny tsy fahatokisan’ny rehetra ity Vaomiera Mahaleotena ity eo amin’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izay nahemotra amin’ny faran’ny volana Mey ny famaranana ny fisoratana anarana. Tsy izay ny olana fa sao dia tetikady hampidirana mpifidy « matoatoa » (fantôme) tahaka izay nisy tamin’ny fifidianana ny taona 2018.

Ambonin’izay ny tsy fahatokisana intsony ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), izay olon’izao fitondrana izao daholo ireo mpikambana sivy ao ary noho ny famoahany didy politika kanefa ny tsy maintsy ataony dia ny manamarina na mifanaraka na tsia amin’ny Lalàmpanorenana ny tranga, na ny fihetsika na izay ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga ary mamoaka didy « tsy azo ivalozana » mifanandrify amin’izany. Porofo mivaingana amin’izany ny tsy mbola namoahana didy fampiharana ny fametrahana ny Filoha Lefitra fahafito ao amin’ny Antenimiera roa. Ny tena loza dia ny nahasahian’ny filohan’ny Repoblika nampiantso sy nanome baiko ny filohan’ny Antenimierampirenena teny amin’ny foiben’ny antokony TGV. Amin’izao fotoana izao dia tsy takona hafenina intsony fa manao fampielezan-kevitra, ka mampanantena ny vahoaka izao volana sy kintana rehetra izao sahady ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, eo koa ny fihetsika sy seho hafa izay azo hamoahana didy fampiatoana azy eo amin’ny asany. Eo anatrehan’ireo dia nametraka tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ihany koa ny HCDDED ny tokony hampiatoana ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany kanefa dia tsy mbola nasian’ity andrim-panjakana ity tohiny izany. Tsara ho marihana anefa fa araka ny Lalàmpanorenana dia andraikitr’io rafitra io ny manao izany.

Manolohana ny fifidianana ihany dia mizarazara ny hevitry ny politisiana gasy ka ao ireo manizingizina fa tsy maintsy hatao ny fifidianana kaominaly sy filoham-pirenena, amin’ity taona ity, satria izay ihany ny fomba hanilihana amin’ny fomba demokratika sy ara-dalàna izao fitondrana izao kanefa mitaky fikaonandoham-pirenena izany. Misy koa anefa ireo mihevitra fa tsy maintsy hatao aloha ny fanorenana ifotony sy ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana.

Nandritra izao taona maro nitondran-dRajoelina Andry ny Firenena izay dia potika daholo ny làlana rehetra izay azo heverina fa fanahy hiniana satria masaka tao an-dohany ny « téléphérique » sy ny « fly over », izay hampisongadina azy satria mba hitovitovy amin’ny any tanàn-dehibe any ivelany ny eto an-drenivohitra. Ny « fly over » moa dia efa nanjavona tahaka ireo nofinofy tiany navadika ho azo tsapain-tànana sy hita maso toa an’i Toamasina ho Miami sy Ambaton-drazaka ho Paris. Mihetsiketsika ny « téléphérique » ka nofefena ny zaridaina eo Anosy izay toerana hanorenana ny fihantsonana, hono. Manomboka manamboatra ireo làlam-pirenena miteraka loza (points noirs) sy famoizan’ireo mpandeha aina amin’ny fiara fitanterana satria mandindona ny fifidianana. Ny eto an-drenivohitra moa dia efa mampiteny ny moana raha ny arabe sy ny fako mivangongo no resahina kanefa tsy asian’ny fiadidiana ny tanàna sy ny filohan’ny Repoblika resaka ny momba ireo toe-javatra ireo.

Mampiantso ny Fiarahamonim-pirenena ny Ceni momba ny fifidianana ihany ny anton’izany kanefa fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana ny andraikitry ny Fiarahamonim-pirenena ary mitaky ny herivelona rehetra izy hikaondoha toy ny FFKM ihany koa. Maro ny lahadinika tsy maintsy hiadian-kevitra amin’izany kanefa tsy miraika amin’izany ny fitondrana Rajoelina Andry fa miezaka milalao ny fihetsepon’ny vahoaka amin’ny fampanantenana izatsy sy izaroa ary ny fizarana vary na masaka na manta any amin’ny faritra heveriny fa mbola azony rebirebena. Tsy misy afaka milaza fa tsy marary mila fitsaboana ity Firenena ity, ary tsy olombelona mandala ny soa toavina maha-malagasy izay tsy mahatsapa fa miaina ao anaty krizy eo amin’ny sehatra rehetra ny mpiray firenena eto Madagasikara. Ilaina ny fikaonandoham-pirenena kanefa mitaky olom-pirenena manam-panahy sy mandala fahamarinana ary manana moraly manaja ny etika sy deontolojian’ny fitantanana.