Tanora TIM Antsiranana – Mandray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena

Stefa

Mandray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena eto amintsika ny Tanora, na ny Jeunes TIM any Antsiranana faritra Diana. Noho izay antony izay, miara-miasa akaiky amin’ny mpitarika ny antoko any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny izy ireo. Ny alahady ho avy izao tolakandro hanomboka amin’ny 3 ora, hivory ao amin’ny Tiko Place Kabaro any amin’ny renivohitry ny faritra Diana izy ireo. Handray anjara amin’izany fihaonana izany koa, ireo filohan’ny FOKOTIM rehetra any an-toerana. Hifantohan’ny lahadinika, ny fandaminana ny fomba fiasa amin’izao hiatrehantsika fifidianana amin’ity taona ity izao. Ankoatra izany, mbola manentana ny rehetra, hiditra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny Jeune TIM sy ireo filohan’ny FOKOTIM jiaby any Antsiranana.