Mandriambero. Filoha Ravalomanana: “Hanova ny làlana hizoran’ny firenena isika amin’ity taona ity”

Nangonin’Isambilo

Notanterahana tao amin’ny Espace SK Melody Mandriambero distrikan’Ambohidratrimo ny sabotsy teo, ny fifampiarahabana tratry ny taona nataon’ny Dis-TIM Ambohidratrimo. Tonga niatrika izany ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana; ny depiote an’Ambohidratrimo Mamy Rabenirina, sy ireo depiote avy amin’ny antoko TIM, notarihan’ny filohan’ny Vondrona Parlemantera, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona; ny avy amin’ny birao politika Jean Claude Rakotonirina sy Julien Andriamorasata, ireo ben’ny tanàna TIM ao amin’ity distrika ity.

Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany fa: ”faly miarahaba antsika vahoaka rehetra aty Ambohidratrimo izay tonga maro anio. Ary mirary soa antsika rehetra amin’izao taona vaovao izao.

-Rehefa miresaka isika ny hoe taona 2023, dia taom-pifidianana no tonga ao an-tsaina, ren’ny sofina ary mahalasa ny eritreritra manontolo.
-Iaraha-mahalala ny fahavoazana sy ny fahantrana mianjady amin’ ny Malagasy ka manjary very fanantenana izy ireo, satria dia maizina ny ho avin’ ny firenena raha izao no mitohy.
-Hamafisina indray fa taona lehibe ahafahana manova ny làlana hizoran’ny firenena ity taona ity, ka ahafahana manangana ilay firenena vanona tadiavintsika. Izany anefa dia mitaky fandraisana andraikitra eo amin’ny tsirairay.
-Tsy afaka hiatrika fifidianana madio isika raha tsy manana lisi-pifidianana madio sy mangarahara ary feno ara-dalàna manaraka ny lalàna mifehy ny tany sy ny firenena.
-Koa manentana anareo rehetra izay mbola tsy ao anaty lisi-pifidianana, mba hanatona ny Fokontany misy anareo tsirairay avy hanoratra anarana, hanamarina ihany koa raha efa ao ny anaranareo na tsia, SATRIA ZO fototra maha OLOM-PIRENENA VANONA sy VONONA ny mifidy izay hitondra ny firenena.
-Tamin’ny 8 Martsa teo, izay andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy, dia nikasa hanatanteraka izany fankalazana izany ny vehivavy TIM teto Analamanga, teo amin’ny MAGRO Behoririka kanefa dia feno mpitandro filaminana teny an-toerana nampihorohoro ary nanakana ny fidirana.
-Avelao hizotra am-pilaminana ny fanentanana ny vahoaka hisoratra anarana.
-Manameloka ny tsy fanajàna ny zon’ny mpianatra mitaky ny vatsimpianarany.
-Manameloka ny jadona sy ny fanaparam-pahefana atao amin’ny mpianatra.
-Mitaky ny fanomezana hasina ny fampianarana (mpampianatra, mpianatra, mpandraharaha).
-Mitaky ny fanatsaràna ny kalitaon’ny fampianarana.
-Mitaky ny hisian’ny fotodrafitr’asa ara-dalàna eny anivon’ny Oniversite rehetra eto Madagasikara.