Hiara-mientana ny olom-pirenena hanampina ny lalam-poza rehetra

Andry Tsiavalona

Tsy tambo isaina intsony ny hetsika tsy mazava ataon’ny fitondrana Rajoelina Andry amin’izao fotoana izao. Manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, sa tena manao ho laharam-pamehana ny sosialim-bahoaka, sa manao vazaha mody miady hanafenana ny tsy fahaiza-manao, sy handemena ny saim-bahoaka, mba hiheverany fa mahalala ny manahirana sy ny maharary ny mpiray Tanindrazana tokoa izao fitondrana izao. Ny tsapa aloha dia kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany mandrakariva Rajoelina Andry sy ny ekipany, ka mitantana ny Firenena amin’ny tranga isan’andro, fa tsy manana vina matotra hoenti-miatrika mialoha ny olana mety hitranga. Etsy an-kilany dia milalao ny fitohizan’ny asam-panjakana ihany koa ny mpitondra, ka manao fampiraharahana hanorenana fotodrafitrasa, izay tsy ho vita ato anatin’ny valo volana, ka izay iray alehany na ho voafidy indray ka hirehareha fa hahavita zavatra tokoa, na tsy ho lany intsony ka hampibaby kitra izay ho tonga eo amin’ny fitondrana. Na izany na tsy izany dia ny vahoaka Malagasy ihany no hifafa ny kihony amin’ny fanefana ny trosa nindramin’izao fitondrana izao.

Tsy mazava ny momba ilay latsabato nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny taloha Randriamandranto Richard tany amin’ny Firenena Mikambana, nanameloka ny fanafiham-bohitra ataon’ny rosiana any Ukraine. Nanambara ny fitondrana fa tsy nifanarahana izany, ka hita ny vokany fa nesorina tamin’ny toerany ingahy minisitra. Andro vitsivity taorian’ny nahavoatendry ny minisitry ny Raharaham-bahiny ao amin’izao governemanta « vaovao » izao dia nandatsa-bato ho amin’ny fialan’ny tafika rosiana any Ukraine indray ny minisitra. Niaro ity minisitra ity ny mpitondra tenin’ny governemanta satria tsy mifanohitra amin’ny làlantsain’ny governemanta, hono, ny latsabato natao tany amin’ny Firenena Mikambana, satria tsy mankasitraka ny korontana ny mpitondra, fa miezaka kosa ny hisian’ny filaminana. Mety misy elanelany, angamba, ny fandraisana ny voambolana “fanamelohana” ny fananiham-bohitra sy ny fitakiana ny “fanesorana” ny tafika kanefa iray ihany ny haterak’izany dia ny iainan’ny Okraniana ao anatin’ny “fahalemana” ao amin’ny fireneny. Nanambara anefa ny masoivoho rosiana eto an-toerana, fa diso fanantenana tamin’iny latsabato nataon’ny Malagasy iny. Manontany ny mpanaramason’ny fiainam-pirenena hoe: “inona no hasetrin’izao fitondrana izao io fanakiana nataon’ny masoivoho rosiana io”? Azo inoana fa tsy ho sahy hiverin-dàlana izao fitondrana izao, ka ho hita eo raha ho voateliny sy ho levon’ny vavoniny izay hasetrin’ny rosiana iny fanapahakevitra iny. Azo heverina ihany koa fa pimaso ataon’ny fitondrana amin’ny Amerikana sy ny Japoney izao fihetsika izao, satria tsy misy fanampiana azon’ny rosiana hatao ho an’i Madagasikara, fa ny gasy aza no tsetsafiny amin’ny fividianana fitaovam-piadiana sy fanondranana harena any Rosia. Iaraha-mahalala fa samy manana ny toerana misy azy ny Amerikana sy ny Japoney, ny iray eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena sy Tahirim-bola Iraisam-pirenena ary ny faharoa eo anivon’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana.

Izay ny momba ny iraisam-pirenena, fa ny eto an-toerana kosa, ankoatr’ireo olana eo anivon’ny orinasa miankina amin’ny fanjakana samy hafa dia miverina ny olana eo anivon’ny Anjerimanontolo. Manampy trotraka ny toe-draharaha politika izay tena mangotrakotra tokoa eo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny mpanatanteraka, eo amin’ny HCDDED sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), dia anisan’ny raharaha sosialy mamaivay ny tranga eny Vontovorona. Tsy takona hafenina intsony ny faharatsian’ny fotodrafitrasa, tsy eny Vontovorana ihany fa amin’ny Oniversite eto Madagasikara rehetra, eo an-kilany koa ny tsy fahafahan’ny fitondrana mandoa ny vatsim-pianarana. Iaraha-mahatadidy ny mpianatra maty noho ny tifi-danitra nataon’ny herim-pamoretana. Tamin’ny herinandro lasa dia nihetsika ny mpianatra eny Vontovorona, izay nanaovan’ny filohan’ny Oniversite naoty nanakatonana ny Oniversite mandrapisian’ny fanapahankevitra vaovao indray. Nesorina tamin’ny toerany ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina noho iny raharaha nahafatesana mpianatra iny. Nanameloka ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny Oniversiten’ Antananarivo nanakatona ny toeram-pianarana ny minisitry Fianarana Ambaratonga Ambony ora maromaro taorian’izany. Tena fanapahan-kevitra tsy niraisana tokoa ve sa nikoropaka ny fitondrana Rajoelina Andry, satria niray hina ny fikambanan’ny mpianatra rehetra, ary nanohitra izany fanapahan-kevitra izany koa ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra. Na inona na inona fialàna andraikitra ataon’izao fitondrana izao dia tomponandraikitra izy amin’ny fanarenana ny fotondrafitrasa mba hanara-penitra, satria mandoa hofantrano ny mpianatra, ary momba ny fandoavana amin’ny fotoana ny vatsim-pianarana izay miantoka ny sakafo iveloman’ny mpianatra hahazoany hery hahafahany miatrika ny fampianarana.

Anjaran’ny olompirenena tsirairay no mandray lesona avy amin’ny toe-javatra niainany, nandritra izay efatra taona nitantanan’izao fitondrana izao ny Firenena izao, ka handray andraikitra mifanandrify amin’izany, mba tsy hiverenan’izany intsony amin’ny ho avy. Ho malina mandrakariva anefa satria ny ratsy tsy kely làlana ka hiara-mientana ny Olompirenena hanampina ny làlam-poza rehetra.