Tontosa ihany ny fanamarihana ny8 martsa – Nahazo hery ny Vehivavy TIM Analamanga

Ny Valosoa

Nisy ny sakana natao tamin’ny vehivavy TIM ANALAMANGA ny alarobia 8 martsa, andron’ny vehivavy maneran-tany. Tsy tontosa araka ny tokony ho izy ny fandaharam-potoana izay noeritreretin’ny mpikarakara tamin’izany, satria ny fotoam-bavaka izay zavadehibe tamin’ny vehivavy TIM Analamanga aza dia teo amin’ny arabe no notontosaina tamin’izany. Manoloana izany indrindra dia nisy ny fihaonana nataon’izy ireo tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM, tao Bel’Air Ampandrana ny sabotsy lasa teo, niarahan’ny rehetra nanohy ny fandaharam-potoana izay efa noeritreretina tamin’ny 8 martsa andron’ny vehivavy manerantany.

Fijoroana vavovolombelona sy fanomezana toromarika ho an’ireo vehivavy araka ny soratra masina, izay nentin’i Nenifara na Anna Andriamamonjy ao anatin’ny vondrombavaka. Ao anatin’izany ny toetra tokony hananan’ny vehivavy manoloana ny tokantranony sy ny firenena : « omeo vehivavy hendry aho hanorenako firenena vanona » , araka ny ao anatin’ny soratra masina. Rehefa vita izany dia teo ny niarahana nifaly niaraka tamin’ny mpanakanto mpanafana ny sehatra sy i Bodo nentina namalifaliana ireo renim-pianakaviana.

Nahazo hery ny vehivavy TIM ANALAMANGA, ka vonona izy ireo hametraka ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena indray, izay latsaka ankaterena amin’izao fotoana. Tsy adino mihintsy hoy ny filoha ny vehivavy TIM ANALAMANGA ny misoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana amin’izao, satria mbola amin’ny faran’ny volana mey, no hifarana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.