EDITO 14 Marsa – Lamasinina manadino ny vahoaka sahirana ny an-dry Rajoelina

Beharo

TGV=train à grande vitesse, manary ny olona sahirana fa toa tombontsoa ho an-dRajoelina sy ny ekipany amin’ny fihazakazahana amin’ny tsy rariny samy hafa eto amin’ny firenena ataon’izy ireo. Vao nahaino ny tenin-dRajoelina ny mpanara-baovao maro nanao hoe: soloina, alàna amin’ny toerany izay tsy maharaka dia gaga sy talanjona ihany, satria tena “Train à Grande Vitesse  marina tokoa ve ny zava-misy amin’izao fotoana? Misy ny mpiara-miasa aminy tsy maharaka, ny hita koa dia taraiky ny vahoaka teratany, navelan’ny fitondrana ao anaty fahantrana lalina, tsy ahitan’ny fitondrana Rajoelina vahaolana.

Vahoaka sahirana, mahantra tsy ampy vola sy sakafo ho hanina no entiny, ka tsy mahita fahafaham-po mihitsy tato anatin’izay 5 taona latsaka kely izay, na teo amin’ny ara-barotra, ara-tsosialy, tontolo iainana, fiaraha-monina, filaminam-bahoaka, sns… noho ny jadona sy velirano diso paika tanteraka ity. Lamasinina haingam-pandeha tokoa ity TGV hoy ireo sahirana, fa tsy lamasinina mitondra tombontsoa sahaza ny fari-piainan-draMalagasy ary mbola tsy mendrika eto amintsika raha bangoina tokana, satria raha ny fitaterana fotsiny dia mbola tsy nisy gara na lalamby, mba nanaovana fanatsarana sy fanorenana ara-dalàna akory. Mihazakazaka Rajoelina sy ny ekipany manonofinofy ka tsy tratra, ny hanaovana ny tanàna ho toy ny Parisy kely any Ambatondrazaka, ny teleferika, ny lalambe migodana, tetezana mihantona no mahamaika azy nefa ny làlana isaky ny renivohi-paritany, ny jiro sy rano, ny KERE, ny fihemorana any amin’ny farany, toa tsy tazany akory.

Tsorina fa raha mbola toy izao ny zava-misy dia mbola ho mafy noho ny mafy ny ho avintsika, ry zareo mpitondra sy mpisolelaka na mpanohana diso hevitra, no afaka migalabona hatrany, fa ny mahantra sy ny vahoaka sahirana dia ho noana eny hatrany, tsy maharaka ity “Train à Grande Vitesse ” TGV ity, adinon’ity Train à Grande Vitesse ity.