MAILAKA IZY…

Mailaka izy raha handrodana, mailaka izy raha hanjera.
Ataony tsy mahita rirany raha vao adiverisera.
Fingampingana tsy miato, tambitamby, fividianana,
Izany indray no tetikadiny mialoha ny fifidianana.

Mailaka izy raha handrodana, mailaka izy raha handrava,
Saingy iretsy mba natsangany, tena mahavaky vava,
Fa tsy misy mba manjary sy tsy azo ianteherana.
Ny efa donto sy ny vendrana, ireo no mbola omeny toerana.

Mailaka izy raha handrodana, mailaka izy raha hamingana.
Izay manalokaloka azy dia ataony tsy mandingana.
Vola, hono, tena ananany. (Ny mitady an’io koa hainy),
Ka ny tetika maloto, tapitra efa nampiasainy.

Mailaka izy raha handrodana, ny tsara ataony tsisy miangana.
Fa mihisatra sy votsa nony injay mba hoe hanangana.
“Tsy mikaton-dohamalemy” ka dia tia manindrahindra
Fa hoe “ny fitiavan-tseza”, izay no lehibe indrindra !

DADAN’i ZINA (02-03-23)