POWER Initiative – Manampy ny vehivavy mpandraharaha amin’ny fambolena hiditra amin’ny tsena Amerikana

Aly

Ny vehivavy mpandraharaha dia loharanon’ny fanavaozana, ny famoronana asa sy ny fampitomboana ny harin-karena ary koa mpisehatra manan-danja eo amin’ny tontolon’ny fambolena. Ny Masoivohon’i Etazonia dia miara-miasa amin’ny American Chamber of Commerce in Madagascar (AmCham), hanampy ireo vehivavy Malagasy mpandraharaha miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena, hiditra eo amin’ny tsena amerikana.

Maherin’ny antsasak’ireo orinasa misehatra eo amin’ny lafiny ara-tsakafo, mpikambana ao amin’ny AmCham Madagascar dia tantanim-behivavy. Maro amin’ireo orinasa ireo anefa no tsy manararaotra ny fisian’ny tsena amerikana noho ny fahasarotan’ny fahazoana sy fanarahana ireo fenitra hentitra takiana, amin’ny fanondranana entana any Etazonia.
Hamaliana izany filana izany dia hikarakara atrikasa ho an’ireo vehivavy mpandraharaha eto Antananarivo sy any Toamasina ary Antsirabe ny AmCham, hanentanana sy hanampiana azy ireo hiditra eo amin’ny tsena amerikana. Ireo vehivavy mpandray anjara ireo dia hianatra ny fomba sy ny fifandraisana ilaina, hampifanarahana ny paikady ara-barotry ny orinasan’izy ireo, sy hanatratrarana ireo mpanjifa amerikana. Hianatra momba ireo rafitra findramam-bola madinika sy ireo fanararaotra manokana eo amin’ny sehatry ny varotra toy ny African Growth and Opportunity Act (AGOA) ihany koa, ireo vehivavy mpandraharaha ireo.

Ity hetsika ity dia vatsian’ny POWER-Providing Opportunities for Women’s Economic Rise initiative, programa tohanan’ny Sampana amerikana misahana ny resaka varotra sy toekarena. Izany hetsika izany dia manohana ireo tetikasa mampifandray ny sehatra tsy miankina amerikana amin’ireo vehivavy mpandraharaha sy mpitantana orinasa, hanohanana ny fandraisan’ireo vehivavy anjara amin’ny toekarena sy hanatsarana ny toe-bola hananan’ireo vehivavy manerana izao tontolo izao ary hampiroboroboana ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarana eo amin’i Etazonia, sy ireo firenena mpiara-miasa aminy.