EDITO 11 Marsa – Vehivavy tsy navela hanao 8 martsa – Tantara mipetraka eto amin’ny firenena ny tao amin’ny Magro Behoririka

Stefa

Tantara mipetraka eto amin’ny firenena ny zava-nitranga tamin’ny 8 martsa 2023 teo, tao amin’ny Magro Behoririka, tantara izay fantatr’izao tontolo izao, ny amin’ny maha-tsy refasi-mandidy sy tsy manaja ny zon’olombelona ny fitondrana Rajoelina. Zon’ny vehivavy ny mifety, zon’ny vehivavy ny manao hetsika am-pilaminana nandritra ny fetiny tamin’ny alarobia lasa teo, nefa dia nosakanana tsy afaka nanao izany izy ireo. Raha ny nambaran’ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa:”8 martsa 2023.

Tantara mipetraka ny tsy namelana anay Vehivavy TIM ANALAMANGA hankalaza ny 8 martsa. Tsy nitondra afa-tsy tanampolo ireo renimpianakaviana nefa mpitandro filaminana mirongo fiadiana no nisakana tsy hamela azy ireo hiditra ny toerana tokony hankalazana ny andron’ny vehivavy manerantany. Nitondra inona ho an’ny mpitondra Fanjakana anefa izany?” Vao mainka mampihena ny lanjany eo amin’ny sehatra rehetra iny zavatra nataon’izy ireo iny, na any ivelany io, indrindra fa ato anatiny, vehivavy avy ve dia atahorana hoy ny maro, toerana mifefy an’olon-tokana ve dia sakanana ny fidirana tao.

Efa dia tena fadiranovana loatra ny fitondrana sy ny mpiara-dia aminy, raha vao mihetsika ny antoko TIM, mba tsy hilazana hoe: raha vao mihetsika ny fanoherana eto amin’ny firenena dia efa hahetsika avokoa ity mpitandro filaminana rehetra ity: zandary, polisy ary miaramila. Ny tsy fandriampahalemana anefa mamely saika amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara, tsy ampy an’izay mpitandro filaminana izay, nefa tazonina aty an-drenivohitra hiaro sezan’ny mpitondra fotsiny izy ireo, izay tsy andraikiny, fa ny miaro ny vahoaka sy ny fananany no tokony tena ho asan’izy ireo, tokony hiaro ireo vehivavy niditra tao amin’ny Magro Behoririka, fa tsy tokony nisakana azy ireo.