NY 08 MARSA SY I MAMIMBAHOAKA

Hievotra indray ve i Mamimbahoaka
Rehefa hodidinin’ny akohovavy,
Ka ho avy ny kobaka be mipoapoaka,
Mifono hoerahoera sy ronono an-tavy?

Malaza sy kinga izy raha fanentanana
F’eo no hamafazany lainga sy habobo,
Ary indrindra efa antomotra ny fifidianana
Ka dia hifafy ny teny mandrobo.

Izay mbola ho voafitany aloha dia tsy hay
Fa ny maro efa tofoka sy tena leony.
Ireo volon-daoranjy aza be no efa fay,
Ka dia lotika raha vao maheno ny feony!

…Dia ho hita eo ilay Mamimbahoaka hafa kely
Sy ny akohovaviny maro ao an-drova,
Fa raha ny fihetsiny dia tsy modely:
Tsy tsara fa mbola ny omaly tsy miova!

TSIMIMALO (08-03-23)