Tsy voavahan’ny fitondrana mihitsy – Midangana izay tsy izy ny vidim-piainana

Beharo

Vao manomboka ity taona ity, dia tsy maty am-bavan’ny maro ny hoe: vidim-piainana misondrotra tsy misy fiafarany, tsy voafehin’ny fitondrana mihitsy hatreto. Niakatra avo 2 heny sy 3 heny, sns… no malaza, satria ireo entana fampiasa andavanandro avokoa no voakasika toy ny vary, siramamy, menaka, savony, ka mitarika ny vidin-javatra hafa hisondrotra ihany koa, toy ny arina fandrehita, ny vidin-kena, ny zava-maniry fihinana ary ireo voamaina isan-karazany. Tsy misy intsony fanaraha-maso izany fisondrotam-bidy izany eny rehetra eny, fa samy manao izay tiany ireo mpivarotra, ka tsapa fa fahaverezana tanteraka ho an’ ity firenena mihitsy, mitarika antsika ho amin’ny laharana farany indrindra raha mbola faha-5 mialohan’ny farany aza izao.

Tsorina hoy ny raim-pianakaviana iray teny Mahamasina omaly, fa raha karama 5 hetsy ariary isam-bolana izay mba anjara, ialan’ny hofan-trano, ny Jirama, ny volan-tsekoly sy adidim-piarahamonina, dia zara raha misy 150000 Ar mba hividianana sakafo sy kojakoja ilaina andavanandro, ho azy mivady sy ny ankizy roa, ka lasa tokantrano NOANA hatrany. Ireo mpitondra moa na izay mpisolelaka diso adiresy, dia tsy mahatsapa izany mihitsy satria tsy mba miantsena, tsy mandoa vidin-jiro sy rano, sy hofan-trano, fa migalabona amin’ny fiara vaovao, eny iantohana hatramin’ny solika, mivezivezy manidina any ivelany ka lasa manafatra angidim-by 12 tapitrisa dolara amerikana mihitsy aza.

Mazava noho izany, fa KERE tokoa ny vahoaka, tsy tratra intsony ny sakafo in-telo isan’andro, grevy etsy sy eroa, tsy mba henoin-teny ny sahirana, ka izay mba manome vaha-olana na manao tsikera dia lazaina fa mpanohitra foana, nefa efa mahantra tanteraka, ry zareo mpitondra dia ny mizara vary masaka iray vilia na manta tapa-gony no fanaony raha sendra loza toy ny rivo-doza ireny ohatra. Nefa fanampiana tsy mahavita taona.

“Cercle vicieux” hoy ity rangahy sahirana ny fiainana, ny sakafom-biby aza moa nisondrotra avo roa heny, ny katsaka, ny vilona, ny provandy isan-karazany, ny làlana sy saran-dalana tsy ara-dalàna intsony, ka tsy hanomezan-tsiny ny tantsaha mpamboly sy mpiompy hilaza hoe : tena midangana.