Kolonely Rabe Jules – Mandray an-tanana traboinan’ny rivodoza 300 eo, any Toliara

Isambilo

Anisan’ny lasibatry ny rivodoza Freddy izay niverina taty amintsika, rehefa avy namely ny tany Mozambika, ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ao anatin’izany i Toliara, renivohitry ny faritra. Na tsy nandalo tao amin’ny renivohitry ny faritra aza ny ivon’ity rivodoza ity dia namela takaitra tany an-toerana izy, teo amin’ny lafiny foto-drafitrasa sy trano fonenan’ny olona, miakatra koa ny rano any an-toerana, ka maro ireo traboina vokatr’izany, ireo mponina mipetraka amin’ ny faritra iva. Noho izay antony izay, traboina miisa 300 eo no noraisin’ny kolonely Rabe Jules, filohan’ny KMMR Toliara, an-tanana ny fanampiana sy ny fiahiana azy ireo.

Hoy indrindra izy mahakasika izany: ”noho ny fahabetsahan’ny vahoaka tra-boina eto Toliara renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, noho ny vokadratsy nateraky ny rivodoza FREDDY, dia olona tsy manan-kialofana tra-boina miisa 300 mahery no raisiko Kolonely Rabe Jules an-tanana ato amin’ny trano fonenako ato Anketa amin’izao fotoana izao. Fanampiana ara-tsakafo sy trano fialofana. Malagasy iray isika ka mila mifanampy indrindra amin’ny andro sarotra tahaka izao.”