8 martsa tany amin’ny faritra – Tsy nitsanga-ymenatra ny vehivavy TIM

Isambilo

Tsy nitsanga-menatra ny vehivavy Tiako i Madagasikara, na ny vehivavy TIM tany amin’ny faritra. Nandray anjara tamin’ny hetsika fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny vehivavy, ireo Andriambavilanitra avy amin’ny antoko najoron’ny filoha Ravalomanana omaly manerana ny Nosy.

Nandray anjara tamin’ny filaharambe nokarakaraina ny vehivavy TIM: tany Bongolava, tany Boeny, tany Vatovavy, tany Atsinanana, tany Diana, sns… Nisongadina, fa tsy ambakan’ireo fikambanana, na antoko politika hafa ny TIM, tamin’ny hetsika fiarovana ny zony eo anivon’ny fiarahamonina.