Depiote Rastany – Nanamboatra lalana rehefa tsy manao ny kaominina sy ny fitondrana

Aly

Nanamboatra lalana ny depiote Rastany, na ny depiote Randrianarisoa Stanislas voafidy tao amin’ny Boriboritany faharoa, avy amin’ny lisitra TIM, rehefa tsy manao ny fanjakana sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Na tsy asan’ny depiote aza ny manao lalana, fa manao lalàna, noho ny fijalian’ny mpampiasa lalana eto an-drenivohitra, indrindra ny ao amin’ny Boriboritany faharoa, nanototra lavadavaka amin’ny lalana ao amin’ny Boriboritany faharoa ity olomboafidy ity. Nidina ifotony afak’omaly, teny Anjohy ny depiote RASTANY sy ny ekipany, nandray an-tanana ny fanamboarana ny ampahan-dalana mampikaikaika ny maro teny an-toerana.