Magro Behoririka – Nohitsakitsahan’ny fitondrana Rajoelina ny zon’ny vehivavy

Isambilo

Tsy tontosa araka ny tokony niheveran’ny mpikarakara azy ny fankalazana ny andro eran-tanin’ny vehivavy tao amin’ny Magro Behoririka. Voasakana tsy afaka nanamarika izany fetiny izany ny vehivavy TIM Analamanga. Vao maraina dia efa nosakanan’ireo mpitandro filaminana ny fidirana tao amin’ny kianjan’ny Finoana.

Efa tsy rariny intsony arak’izany ny fanamparam-pahefana ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, hatramin’ny fetim-behivavy avy no nosakanan’izy ireo, toa midika fa ny fahatahorana ny filoha Marc Ravalomanana no mibahana loatra ao an-dohan’izao fitondrana izao, ka na ny vehivavy TIM aza dia nosakanany tsy afaka nanao hetsika ho fankalazana ny fetiny.

Mampitombo ny faharatsian’ny endriky ny mpitondra mpanao jadona ny nanakanany ny FETIN’NY vehivavy TIM omaly iny tetsy Behoririka, satria Andro IRAISAM-PIRENENA ho an’ny vehivavy ny omaly, ka tsy natao ho an’ny mpitondra ihany ny fanamarihana izany, fa natao ho an’ny vehivavy rehetra, ka zon’ny vehivavy TIM ny nanamarika izany tao amin’ny kianjan’ny Finoana.