Fahatahorana ny mpanohitra – Ny fandefasana herim-pamoretana no lehibe indrindra

Andry Tsiavalona

Tsy fantatra intsony izay atahoran-dRajoelina Andry sy ireo ao anatin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, satria raha vao mihetsika ka manangona mpiray firenena sy miombon-kevitra aminy ny mpanohitra, amin’ny ankapobeny, dia tsy mahita hevitra ankoatry ny fanakanana izany amin’ny fandefasana herim-pamoretana ireo manampahefana.

Tsaroana ny fitsenana ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery, nokarakarain’ny antokony HVM, izay tsy navela niditra ny seranam-piaramanidina Ivato. Nanadio ny fitondrana moa ny mpitondra tenin’ny governemanta, fa natahotra ny tsy nahazo olona, toa ny Amiraly Ratsiraka Didier fony izy niverina an-tanindrazana, ny HVM dia naleony tonga dia nasaina nankeny amin’ny foibeny eny Andraharo ny mpikambana saika ho eny Ivato. Toa tsy nahita ny fifanazavana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny Mpandrindra ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, ny mpanara-baovao izay nahafantatra, fa ny mpitondra mihitsy no matahotra raha vao mahita olona marobe mivory dia mahatsiaro, angamba, mihovotrovotra ny sezany, ka sao izy midaraboka.

Tsy hadino ihany koa ny hetsiky ny antoko TIM nikasa hifampiarahaba nahatratra ny taona tao amin’ny Magro Behoririka kanefa dia nosakanana, ka tsy afaka niditra tao dia voatery namonjy ny foibeny teny Bel’Air. Torak’izany koa ny fandaharana « Miara-Manonja » nanao fambolen-kazo teny Ambohitrimanjaka, izay nifampiandry teo amin’ny tetezana kanefa dia noroahina tsy nahazo nijanona teo, fa noroasin’ny « herim-pamoretana » tonga dia namonjy ny toerana nambolena hazo.

Andron’ny vehivavy maneran-tany ny omaly, alarobia 08 Martsa, ka nikasa nanamarika izany ny vehivavy Tim, tao amin’ny Magro Behoririka no nifamotoana. Dia mbola nosakanan’ny « herim-pamoretana » indray ny fidirana tao. Ny fitondran-dRajoelina Andry anefa ny talata 07 Martsa dia efa nanomboka izany, ka tsy izay nanao filaharana (carnaval) nankeny amin’ny Kianjan’Alarobia no nosakanana na noravana satria nanelingelina ny fifamoivoizana, fa ny mpitondra fiara sy ny olona nandeha an-tongotra indray no nasaina nikisakisaka, fa nanelingelina ny mpanao fihetsiketsehana. Tsy nahazo nihodina tao Mahamasina ireo taksibe manana fihantsonana ao satria nanao hetsika tao amin’ny Kianjabe Mahamasina ny mpitondra niaraka tamin’ireo vehivavy notaterina avy any amin’ny Faritra 23. Rajoelina Andry mihitsy no nanome toky, fa nandefa fiara naka ireo vehivavy avy any amin’ny Faritra ireo.

Ny mampieritreritra foana dia vola avy aiza, avy ao am-paosin’ny filohan’ny Repoblika madiodio ve, sa avy amin’ny tetibolana minisitera satria tsy vitan’ny fitaterana fotsiny izany, fa tsy maintsy niantohana ny sakafo sy ny trano fonenan’ireo vehivavy aman-jatony ireo. Manampy ireo fandaniana ireo dia homena fitaovana hampihàrany ny fiofanana homena azy ireo vehivavy avy any amin’ny Faritra rehetra ireo. Ny zavatra azo antoka dia satria eo amin’ny fitondrana tokoa Rajoelina Andry, ka afaka mampiasa ny fitaovam-panjakana sy ny volam-bahoaka amin’izay itiavany azy araka ny fitenenan’izy ireo hoe: “ izahay izao no mitondra, ka izay tianay”.

Tsy misy afaka mandà ihany koa fa tsy maka vahana na miomana intsony izao fitondrana izao, fa tonga dia lasa amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana Rajoelina Andry sy ny ekipany. Tsy manao fampielezan-kevitra ny mpanohitra rehefa mamory olona, fa mandrefy kosa raha betsaka ny manaiky ny làlan-kevitra tiany hitantanana ny Firenena ary manohitra izao fahoriana sy fahantrana mianjady aminy izao. Raha ireny nanaovan’ny mpianatra teny Vontovorona ny filohan’ny Repoblika ny Alatsinainy lasa teo koa no dinihana dia efa feno ny kapoaka ary tsy raharahian’izao fitondrana izao ny zava-doza mianjady amin’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony rehetra, eto an-drenivohitra sy any amin’ny Faritra, tsy misy an-kanavaka.

Ny mahavariana dia any amin’ny filohan’ny Repoblika no mitalaho sy mangataka rehefa misy manahirana azy, ary misaotra rehefa hampanantenainy zavatra. Ny zavatra iainana dia zavatra hafa no mampiasa saina ny filohan’ny Repoblika sy ireo tandapa ary ireo manampahefana, fa tsy misy hiraharahiany izay manjo ny mpiray firenena aminy. Hoy ny fahendrena Malagasy: “Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana, ka tsy fantatra izay hianjera aloha”.