9 Marsa – Taratasin’ny mpamaky

Miarahaba tompoko. Mampalahelo ny vahoaka Malagasy, variana manompo mpitondra sy miwerawera ny ministry ny fahasalamana. Caravane eto Antananarivo dia faly fa maro ny misitraka. Taratry ny fahasahiranam-bahoaka tsy manana ny ho enti-manana any amin’ny tobim-pahasalamana no mahamaro ny olona, manampy trotraka ny ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana isan’ambaratonga. Anosibe An’Ala amin’izao fotoana izao rakotry ny tazo moka tsy misy mijery. Mangataka an’i Ministre mba hataovy any Anosibe An’Ala ny caravane. Ataovy any amin’ny faritra saron-dalana izany caravane de la santé izany, fa any amin’ireny toerana ireny no tena mila izay fitsaboana maimaimpoana izay.

Mamy R, mpamaky gazety Ny Valosoa
Antananarivo