EDITO 9 Marsa – Tsy misy iantorahana intsony ny vahoaka

Sôh’son

Hafahafa ny toetrandro tato ho ato, mivadibadika beny ihany, mifangaro ny entin’ny rivodoza Freddy sy ny toetr’andro amin’ny fotoam-pahavaratra. Manahaka izany ihany koa ny fiainam-pirenena. Tsy hita beny ihany ny andraisana azy. Manalasala toy ny vozon’akoho ny raharaha na ny ato anatiny na ny ivelany. Ny ato anatiny, ifandroritana ny tontolon’ny fifidianana, izay zary toa tsy mandeha amin’ny tokony ho hitsiny. Iniana ikimpiana na tsy henoina ny feo mandeha etsy sy eroa mikatsaka ny lalana hahatomombana ny fifidianana ka tsy hisian’ny raorao.

Etsy ankilan’izany, manao jojorombona izany ary tsy te hahalala izany ny eo anivon’ny fitondrana, fa ny azy ihany ny azy. Iaraha-mahita rahateo ny fihetsiny tato ho ato, izay minia miroso hatrany mankany amin’ny kinendriny, dia ny handrombaka ny fifidianana. Tsikaritra indraindray, fa atao amboletra fotsiny izany na dia tsy mifanaraka amin’ny Lalampanorenana aza. Mibaribary rahateo matetika io fanitsakitsahana Lalampanorenana io, ary hita ho mihalangalana fotsiny amin’izany, fa tsy misy fepetra raisiny ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na ny HCC. Dia ho iza indray no iantorahan’ny vahoaka rehefa tsy hita inanteherana amin’izany io rafi-panjakana iray io? Mandeha an-jambany fotsiny ve ireo solombavambahoaka raha niantefa tany amin’ny HCDDED ny eritreritr’izy ireo, ka nanaterany ny fanamarihana amin’ny fanapahan-kevitry ny maro an’isa tao aminy izay misy tokony fepetra hampiharina?

Rehefa ny solontenam-bahoaka no lazaina ho “diso lalana” izany, dia ho very ihany koa ny vahoaka malagasy. Maneho fivilian-dalan’ny firenena tsotra izao izany toe-javatra izany, izay fiviliana tsy mankany amin’ny tsara akory. Mampanahy araka izany ny zotra arahin’ny firenena ankehitriny sy ny hoaviny, satria ilay tena aroriaka mihitsy no marefo na zara raha misy. Manahirana araka izany ny raharaham-pirenena, toy ny toetrandro, ary ny vahoaka hatrany no mifafa ny kihony ao anatin’izay.