NY EKIPA VOLON-DAORANJY

Andro sisa no isaina dia haneno ny anjomara,
Ary dia handao ny kianja iretsy ekipan’ny mapara.
Angamba hiondri-doha tanteraka sady tena tsy hahatraka.
(Tsisy baolina tafidiny ka dia tena afa-baraka!)

Ireo mpitsara ny lalao dia tapitra nokaramainy.
Kolikoly no talentany sady zavatra mba hainy,
Miampy ny lalaom-boto izay toa lasa fahazarany.
Eny, hatramin’ny mpijery no anehoany ny hasomparany!

Mbetika no mifamaly izy samy iray ekipa.
Toa tsy mahalala menatra na ny bandy na ny sipa.
Raha ny vava dia ananany, misapaoritra “ny pokona”,
Fa ny ankoatr’izay dia “aotra”, vendrana izy, tsisy hatokona!

Tena manavanana azy izany hoe mikapa ranjo,
Ny mamingana, mamely, indrindra ny mitana akanjo.
Ny mpitsara moa mazàna no toa modimody jamba.
Misy “kopaka isasahana” any ambadika any angamba!

…Izay no momba ilay ekipa notantanan’i Boaikely.
Tsy mahomby, tsisy hafitsoka, ary tena tsy mamely,
Nefa dia mikiry fatratra ny hoe mbola hiaka-tsehatra,
Ka dia aoka ho mailo isika fa vao mainka hamohehatra!

DADAN’i ZINA (01-03-23)