Antsiranana sy fifidianana ho avy – Miara-mientana ny Vehivavy sy ny Tanora TIM

Isambilo

Nanatanteraka fivoriana tao amin’ny Tiko Place Kabaro any Antsiranana faritra Diana ny faran’ny herinandro teo, ireo mpitarika ny antoko TIM any amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny. Ny momba ny fiomanana amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy no anisan’ny noresahana tamin’izany. Niara-nientana tamin’izao fivoriana izao ny Vehivavy sy ny Tanora TIM any Diego, izay tonga maro tokoa nandritra izany.

Nampitaina tamin’ireo rehetra tonga tao, ny nilazana tamin’izy ireo ny mbola hanentanany ny olona mbola tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana, ho tonga hisoratra anarana any amin’ny biraon’ny fokontany, satria mbola amin’ny faran’ny volana mey vao hifarana izany fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana izany.

Nambara ihany koa fa tokony ho mailo ny rehetra amin’ny fanaraha-maso izany lisitra izany, sy ny fifidianana ho avy ary samy nanamafy, fa tsy hanaiky intsony ny mety ho hosoka sy hala-bato amin’izany fifidianana filohampirenena ho avy hatao eto amintsika amin’ity taona ity izany.