Me Eloi, birao politikan’ny TIM – Teboka 3 hanatsarana ny lalàna, mba ho eken’ny rehetra ny fifidianana

Isambilo

Naneho hevitra momba ny fifidianana sy ny fifidianana filohampirenena ho avy eto amintsika, hatao amin’ity taona ity, Me Eloi Ratefimahefamijoro, mpikambana amin’ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Nambarany, fa: mitaky ny hanatsaràna ny lalàm-pifidianana 2018-008 ny antoko Tiako i Madagasikara, mba hanànana fifidianana madio sy eken’ny rehetra, teboka 3 monja no hasiana fanitsiana :
– Ny momba ny « Plafonnement des dépenses de campagne », (famerana ny fandaniam-bola amin’ny propagandy), mba hampitovy tàntana ny kandida rehetra amin’ny fahalaniany na ny ” égalité de chance d’être élu “.
– Ny momba ny « Commission de contrôle de financement de la vie politique », (vaomiera hanara-maso ny famatsiam-bolan’ny tontolo politika), mba ho « contrôle simultané », ka ho afaka avy hatrany hanao ny fitsirihina mialoha sy mandritra ny fampielezan-kevitra mahakasika ireo fandikan-dalàna rehetra mety ho hitany, sy ny fampanarahan-dalàna ny kandida mihoa-pefy.
– Ny fanendrena ny « membre de bureau de vote », (mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato), mba ho 3 na 2 volana mialoha no voatendry, ary manana ny fetram-pahalalàna takian’izany.