Depiote Todisoa A. – Mikarakara fampianarana teny anglisy ho an’ny rehetra

Stefa

Anisan’ny teny tena ilaina amin’izao fotoana ny fiteny anglisy, noho izay antony izay, mikarakara fampianarana teny anglisy ho an’ny rehetra: ankizy, tanora, lehibe, ny depiote voafidy tamin’ny lisitry ny antoko TIM tao amin’ny Boriboritany faha-6 Antananarivo Renivohitra, Todisoa Andriamampandry. Ny faran’ny herinandro teo no natao ny fisoratana anarana ho amin’izany fampianarana teny vahiny izany.

Nambaran’ity olom-boafidy ity fa:”aman-jatony maro no tonga ireo tanora sy lehibe namonjy ny fisoratana anarana androany. Nahafinaritra ny dinika ary maro be ianareo no nilaza mbola ho tonga amin’ity herinandro ity, fa ho arindra ny fandaminana. Mirary soa ho anareo rehetra hahavita hatramin’ny farany,” hoy izy.