Fikambanana Soleil Marmailles – Tokantrano 350 traboina any Mananjary notolorany fanampiana

Aly

Fianakaviana traboina miisa 350 no nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana Soleil Marmailles ny sabotsy teo, tany Mananjary faritra Vatovavy. Fianakaviana traboinan’ny rivodoza Freeddy farany teo any Mananjary faritra Vatovavy, ireo nahazo fanampiana avy amin’ny fikambanana Soleil Marmailles ireo. Ity fikambanana ity dia tarihan’ny Dokotera Sylvie sy Tiana Razafintsalama, Malagasy monina sy miasa atsy amin’ny Nosy La Réunion.

Fanampiana toy ny vary, labozia, briquet ary akanjo samihafa, no natolotry ny solontenan’izy ireo eto an-tanindrazana tamin’izany, izay nahitana an-dRamatoa isany Arphine Rahelisoa, sy Faniry Tsialonina ary Andriamatoa Harimanana Andrianantenaina. Ireo tokantrano traboina tena sahirana sy marefo avy amin’ny fokontany miisa 12 any Mananjary, no notolorana izao fanampiana izao. Efa fanaon’ity fikambanana ity ny fanaovana asa soa, asa sosialy toy izao eto an-tanindrazana, manampy koa izy amin’ny fanaovana foto-drafitrasa mahakasika ny lafiny sosialy.

Tena sahirana ny ankamaroan’ny mponin’i Mananjary amin’izao fotoana, satria lasibatry ny rivodoza indroa miantoana tato anatin’ny herintaona izao dia ny rivodoza Freddy farany teo, sy ny rivodoza Batsirai tamin’ny taon-dasa, ka izany no anisan’ny nitondrana izay voatsirambin’ny tanana ho azy ireo, hoy ny solontenan’ny Soleil Marmailles eto Madagasikara: Arphine Rahelisoa sy Harimanana Andrianantenaina. Nankasitraka izao fanampiana avy amin’ny fikambanana Soleil Marmailles izao, ireo nahazo izany tany Mananjary.