Fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana – Lalana handavoana izao fitondrana izao mampahory vahoaka izao

Stefa

Nanatanteraka fifampiarahabana noho ny taona vaovao, ny RMDM, rodoben’ny mpanohitra, ao anatin’ny distrikan’i Toamasina voalohany ny faran’ny herinandro teo amin’ny Magro Ambodisoanambo.

Nanatitrantitra ireo izay nandray fitenenana ny amin’ny tokony hisoratan’ny olompirenena rehetra ao anaty lisipifidianana, fa izay no anisan’ny vahaolana hivoahan’ny firenena sy ny vahoaka, amin’izao fahasahiranana lalina mahazo azy izao. Ny filoha lefitra nasionalin’ny RMDM Toamasina, ny Senatera teo aloha Remi dia nanatsikafona ny fanodikondinam-bola fanampiana tamin’ny Covid ireny, izay nanaovan’izy ireo enquête parlementaire teo anivon’ny Sénat tamin’ny andron’izy ireo, fa tsy namaly ny convocation, na fiantsoana nataon’izy ireo ny ministera voakasika tamin’izany. Namerimberina ihany koa izy ny tokony hirosoana amin’ny concertation nationale, hanovana ny lalam-pifidiana, mba ho eken’ny rehetra ny vokatra hivoaka eo, ka raha tsy miroso amin’izany ny fanjakana dia tompon’andraikitra feno amin’ny zavatra mety hitranga eto amin’ny tany sy ny firenena.

Ny Conseiller spécial RMDM faritan’i Toamasina Niaina Corneil dia nitondra ny hafatry ny filoha Marc Ravalomanana, ny amin’ny tokony hananan’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny fanoherana fifamatorana, mba hisian’ny rindran-damina. Tokony hifameno sy hifanohana foana ny mpikatroka tsy hijerena fironana politika. Ny Président Jeune RMDM Jean Claude kosa dia nanantitrantitra ny tokony hisoratan’ireo olom-pirenena feno 18 taona anarana anaty lisi-pifidianana, fa izay ihany no vahaolana afaka handavoana ity fitondrana mpampahory vahoaka ity.