EDITO 7 Marsa – Fitondrana Rajoelina – Tsy vitany ny andrasan’ny vahoaka maika

Sôh’son

Iaraha-mahita sy miaina tsara izao, fa tsy misy afitsoka intsony, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra sy ny ekipany, amin’ny resaka fanamboaran-dalana, sy eo ihany koa ny resaka fako. Tsy misy lalana izay tsy simba sy potika eto an-drenivohitra, fa izay aleha rehetra kilavadavaka avokoa, toy ny tsy any amin’ny tanàn-dehibe intsony. Tsy mahatsiaro ho menatra sy tsy mahavita ny andraikiny amin’izany ity tomponandraikitry ny tanàna ity, kanefa nampanantena ery tany amin’ny fampilezan-kevitra. Mibaribary tsara izany izao, fa namitaka ny mponin’Antananarivo ny tenany. Fialàna bala sy fihatsarambelatsihy sisa no ataony amin’ny fisehoana manao zavatra hafa ankoatra ireo etsy sy eroa. Karazan’ny manao fampandehanan’asa izy ireo sisa, fa ny tena andrasan’ny vahoaka aminy tsy vitany.

Toy izany ihany koa ny miseho eto amin’ny firenena. Ny fandehan’ny filohan’ny Repoblika Rajoenina mandeha etsy sy eroa hatrany amin’ny faritra samihafa any, dia asa tsy maintsy ataony amin’ny maha filoha azy, toy ny fanampiana ireo niharam-boina tamin’ny hetraketraky ny loza voajanahary niseho. Tsy amboniny akory ireny, fa tena ao anatin’ny asany tanteraka. Ireo tsy mahalala sy mora fitahiny amin’ny teny sy kabary tsara lahatra mampandry adrisa, no mora miesona sy voafitaka amin’izany. Matetika ihany koa, dia ireo sokajin’olona toy izany no araraotin’ny fitondrana anaovana izany, hikendrena ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ho fitsinjovana ny fifidianana ho avy.

Fantatry ny fitondrana Rajoelina tsara, fa tsy nahavita asa firy teto amin’ity firenena ity izy, ary tsy nahasoa sy nahatsara ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Hifarana anefa afaka volana maromaro sisa ny fe-potoana iasany. Raha tsy maneho fihetsika sy manatona ny vahoaka tsy afaka hamitaka ny vahoaka sy hanapempo ny sainy ary hanasa atidoha azy. Misy mpandinika sy mpamakafaka milaza, fa natao hampahantraina mihitsy ity vahoaka malagasy ity, mba ho mora resy lahatra sy hahazo ny vatony sy indrindra koa ny hareny. Hevitra maloto atao amin’ny vahoaka izany kanefa tsy hahasoa ny vahoaka sy ny firenena velively. Tsy tokony ho adinoina, fa ny ratsy atao amin’ity firenena ity dia tsy maintsy hivaly, satria mbola mitoetra na dia tsinontsinoavina aza ny fananany hasina.